sam.
20
nov.
2010
« Canal des Pangalanes ». Lakan-drano novolena tamin’ny andro faha-vazaha.
Lakan-drano mamelona tanàna maro. Iray amin’ireo mpandraharaha mitrandraka
ny fizahantany izay miezaka mamoaka ny hakanton’izany lakan-drano izany sy
mitondra fampandrosoana amin’ireo tanàna lalovany ny « La Route des
épices ». *
Nanomboka ny taona 1999 nijoroany ka mandraka ankehitriny dia mampianoka
ireo mpanjifa nisafidy azy, hijery ifotony ny zava-misy iainan’ny mponina
manamorona ny lakan-dranon’i Pangalanes ny « La Route des épices ». Fiainana
hafa miala amin’ny fahita mahazatra mihitsy no iainana, mizaha ny
lakan-dranon’i Pangalanes miaraka aminy. Afaka nanandrana izany niaraka
tamin’ireo ekipa mahafatra-pon’ny « La Route des épices » tao anatin’ny
andro vitsivitsy izahay teto amin’ny gazety Basy Vava ary te hampita izany
amintsika mpamaky anio. Indro ny fanadihadiana.
Fiainana andavanandro
220 km ny halavirana diavina mampifandray an’i Mahanoro sy Mananjary raha
misosa amin’ny lakan-dranon’i Pangalanes. Ho an’ny « La Route des épices »
manokana dia Nosy Varika, Masomeloka ary Ampangalana no tanàna tsidihina sy
ihantsonana. Tanàna telo izay samy manana ny maha-izy azy. Tsikaritra
amin’ny ankapobeny fa mivelona tanteraka amin’ny lakan-dranon’i Pangalanes
ny fiainan’ny mponina andavanandro amin’ireo tanàna ireo. Na ny fambolena,
na ny jono, na ny fitaterana hatramin’ny rano sotroina sy ny idiovana dia
mbola ny lakan-dranon’i Pangalanes no miantoka izany.
Miandrandra fivoarana
Tsy araka izay maha-tanàna saro-dalana azy izay anefa fa miandrandra
fivoarana ny mponina manamorona ny lakan-dranon’i Pangalanes. Ho an’ny ao
Ampangalana fotsiny ohatra dia efa miroso amin’ny fiarovana ny atiala ao
an-toerana ny vondron’olona ifotony. Mamboly zana-kazo kafe sy jirofo ary
dipoavatra ihany koa ny fikambanana Tetikasa Afaka miaraka amin’ny CTHT sy
ny Care International hisorohana ny mety ho faharinganan’ny vokatra, araka
ny filazan-dRtoa Florette Raherisoa, mpikambana. Ny tanànan’i Masomeloka
indray dia efa an-taonany maro no niaina tanaty tsy fisiana herinaratra. Ho
an’i Nosy Varika dia ny hotely fandraisam-bahiny “Petit Oasis” no
miara-miasa amin’ny “La Route des épices”. Araka ny fanazavan’Atoa Sergio
tompon’andraikitry ny hotely dia ny lalana no mametraka olana ho an’ity
distrika ity. Mbola azo lazaina ho milamina kosa izy eo amin’ny fiainana
ankapoben’ny mponina sy ny fandriampahalemana.
Afaka andramana
Ny vahiny no tena maro an’isa amin’ireo mpizaha ny lakan-dranon’i
Pangalanes. Tsy mbola tena tafiditra ao anatin’ny kolontsaintsika Malagasy
ny manao fialan-tsasatra amina toerana toy izany, saingy afaka andramana
tsara ny karazana fizahantany toy izany. Raha ho an’ny “La Route des épices”
dia sambo dimy no natokana ho amin’izany. Afaka misafidy ny mpanjifa ny
amin’izay andro tiany ijanonany eny ambony rano. Efatra ny “circuits” azo
isafidianana dia ny mianavaratra, ny mianatsimo, ny reniranon’i Mananjary
ary ny toeram-pambolena “épices”. Efatra ny isan’ny olona azo entina raha
vitsy indrindra ary 12 raha maro indrindra. Maro ny zavatra azo zahana
amin’ny lakan-dranon’i Pangalanes. Santionany fotsiny ihany ireo. Any kosa
mahita izy raha te hanandrana izany ianao.
Raha momba ny lakan-dranon'i Pangalana de tena maro tokoa ny zavatra azo ambara. Tamin'ny fahakelinay izahay de tena nandehandeha sy nanavatsava izany "atiala"n'i Pangalana izany. Na dia "mambely
Gavo" ihany aza no natao tamin'izany. Ohatry ny fanaon'ny ankizy kely tamin'izany fotoana izany dia mambely gavo izany hoe "Goavy" hono ny teny malagasy iombonana. Azo lazaina fa mbola maro ny
fandehandehananay tamin'izany andro izany manomboka eo Pangalana ka hatrany Amboanato.
Ny momba ny lalana any Nosy-Varika dia tsy ho vita io raha tsy any amin'ny fotony mihitsy no ovana ny toe-tsaina satria any amin'ny tanana eo anelanelan'ny Mananjary-Nosy Varika dia mbola misy izany
toetsaina lomorina novolen'ny (metisy)Sinoa sy ny gasy vitsy (mba) manam-bola any hoe raha vita io lalana io dia ho "gorobaka la case de boeuf" ka ho tonga aty daholo ny olona hanangona ny Kafe izay
mba fidiram-bolantsika sy ny volamena,sns...
Mampalahelo tokoa ny mandinika azy satria ny tenanay dia tena tia aventure ka efa nendehandeha nan dia ny toerana faran'izay anaty ala aza.
