mer.

17

nov.

2010

Mpandresy kely endaka

Ireny niseho omaly ireny no nandrasantsika efa hatry ny elabe izay, ireny no nifandrebirebena teto, ireny no demokrasiantsika, ireny no mpanara-maso vahiny mba nanara-maso antsika, toa parlemantera efa misotro ronono ireto izy ? Ireny mba nitangorongorona teny amin’ny birao fandantsahambato ireny no Gasy manana adidy amin’ny firenena. Ireny lasa nandeha nanjono, sy nanao fitsangatsangana nanararaotra ny fotoana tsy niasana ireny no mpitsoaka ny adidiny? Ireny mbola niasa sy nilofo amin’ny fitadiavana ireny no tsemboka vao homana. Ireny nisehoseho télé, sy nampiresaka ny mpampahalala vaovao ireny, no mpanao politika mpitarika ny vahoaka sy mpampatsiahy azy ireo ny adidy tandrify ny rehetra. Raha vaha-olana no nandrandrain’ny be finoana sy ny be fitiavana dia tsy ho izany velively no nateraky ny fakana ny hevi-bahoaka omaly iny. Vao mainka niharihary indray fa hafa hatrany ny firain’ny vavan’ny mpitondra, ary hafa koa ny fihetsiky ny mponina amin’ny ankapobeny. Tsy ahafahana mitondra fanjakana velively ny vokatry ny latsa-bato nataontsika mianakavy. Tsy maintsy mbola hivazavaza ireo marobe, natao ho tsinontsinona ny heviny noho ny tsy famelàna azy mba hilaza ny vetsovetsony.

Efa fantatra hatry ny ela fa fifidianana harovan’ny vavabasy hatrany no hiseho eto raha vao tsy afaka hilaza ny heviny ao anatin’ilay vata mangarahara ny ankapoben’ny mpiray firenena. Aza gaga raha handrasana vava basy ihany koa ianao rehefa hiasa tany, hitady vola, handeha hivavaka …Izay rehetra ataonao dia hananan-doza avokoa. Vao miantomboka ny fananganana ny repoblika faha-efatra nimatimatesana dia sary hafa dia hafa no mifamahofaho ao antsain’ny rehetra. Fitaintainana, fisalasalana, ahiahy ny amin’ny ampitso. Hifanameloka indray fa Ra-anona dia mangalatra, manao izao sy izao, tsy manaiky izahay fa natao ankilabao sns… Ka tsy ny nantenai-kanirina izany no vao mainka nampivandravandra? Tsy mbola azo hifaliana ny fandresena tongatonga ho azy sy tsy nisy mpifaninanana tena vonona nifaninana. Ry ampitso izay mifono mistery! Anarany fotsiny no nandresy fa tsy afaka hifaly, tsy afaka hidehaka ho matanjaka satria viviny sy manify ny fandresena. Kely endaka mifono vý, ka ny fitaovana eny am-pelatanana no manjary ho vesatra sy hanahirana. Tsy afaka hiantso vonjy ihany koa satria efa nihambo ho mahefa irery sy mahavita ny sitraky ny fony amin’izay tiany hizorana. Mbola ezaka vaovao indray ny hifehezana sy hampanginana ny tsy mitovy hevitra. Miharihary loatra anefa fa kely hery sy tsy ampy tanjaka intsony ka tsy maintsy maka fepetra hafa indray? Maka bahana, manampy sy manalava ny fanazaran-tena ihany no azo antenaina ho antoka amin’ny manaraka. Ka ireo resy koa ve moa hanaiky ho “resy tsy niady”. Tsy nandray anjara tamin’ny “ady“ aza izy natao fay rano sy tsy navela hikofoka koa azo hinoana fa tsy maintsy hanamafy ny maha-hery tsy azo hamaivanina azy izy ireo. Mbola sarotra izany ny hampatanjaka ny mpandresy e! Rebarebany fotsiny toy ny akoholahy fahavaratra. Ny mpananatra koa tsy azo ho sokajiana ho mpialona e! Ary ny fandresena tsy ampy hery dia maivana na dia ho an’ireo misalotra azy aza. Tsy diso izany satria marina. Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra