mer.
17
nov.
2010
Mahamenatra ny vehivavy izany hoe manao sy miresaka « masturbation » izany, raha ampitahaina amin’ny lehilahy. Na efa misy aza ireo vehivavy manao azy io dia mbola betsaka ihany koa no tsy manaiky. Ho an’ny mpikaroka anefa dia voalaza fa manampy ny vehivavy hampivelatra azy ara-pananahana ny fanaovana “masturbation”. Raha ny rantsan-tanana no tena niasa be taloha rehefa manao ny “masturbation” dia efa misy kosa amin’izao fotoana izao ny “sextoy” izay fitaovana fampiasan’ny ankamaroan’ny vehivavy manao “masturbation” any ivelany any. Mahakasika ny lehilahy indray dia navoakan’ny fanadihadiana fa saika manao “masturbation” avokoa ny ankamaroan’ny lehilahy nandritra ny fotoana nandalovany ny adolan-tsento. Tsy dia mametraka olana ho an’ny lehilahy ny fanaovana izany. Voalaza ihany koa anefa fa mandany 100 Kcalories ny olona iray manao “masturbation”. Misy ihany koa ireo mpivady mifanao “masturbation” mandritra ny fiarahana manokana. Fantatra kosa anefa fa miteraka voka-dratsiny ihany ny “masturbation” raha atao fanao matetika loatra. Manakana ny olona iray tsy hikarakara sy tsy hitia ny vadiny araka ny tokony ho izy ihany koa ny fanaovana azy. Fampahafantarana ny zavamisy eran-tany fotsiny ihany no entinay fa dia an’ny tsirairay no mandinika ny mety sy ny tsy mifanentana aminy. Mila dinihina ihany koa anefa ny zavatra atao fa tsy hoe izay no lamaody dia arahana be fahatany.
Mba azo fantarina ve ny voka-dratsiny fanaovana masturbation matetika!
Tandremo fa raha be loatra de mitsovaka ange ny hodiny lataka e
Reraka raha manao azy matetika loatra. Fa betsaka any voka-tsoa raha atao matetika fa tsy matetika loatra.
