mer.
17
nov.
2010
Tsy rototra tamin’ny fifidianana ny olona. Raha ny teto an-drenivohitra manokana, dia zara raha nisy olona nandeha nandatsa-bato io omaly io, ary endrika iray hanaporofoan’ny vahoaka amin’izao fitondrana izao, fa tsy ankasitrahany ny nanaovana iny fifidianana iny. Ny tapak’andro maraina, dia azo isaina amin’ny ratsan- tanana no nandeha tamin’ireo birao fandatsaham- bato. Porofon’ny tsy fahombiazan’ny fifidianana omaly io ny tsy fahazoan’ny olona kara-pi f idianana. Nalaina ny vahoaka, ary mbola nanampy trotraka izany, ny fahitana miaramila milanja basy eran’ny tanàna. Ekena fa nalefa hitandro ny filaminana ireny, saingy vao mainka nampihemotra ny olona.....
Nitodi-damosina tamindRajoelina ny vahoaka, raha ny teto an-drenivohitra no asian-teny. Raha nanao ilay fifidianana izay ho ben’ny tanàna tamin’ny taona 2007 iny mantsy ny fitondrana teto, ka naha-tafakatra azy ho ben’ny tanàna tamin’izany, dia ny mitatao vovonana tamin’izany efa nananika ny 50% ny taha-pahavitrihan’ny mpifidy. Raha ny omaly kosa, dia zara raha nahitana 4% tamin’ny birao fandatsahambato hafa. Ny vokatry latsabato nataon’ireo olona nandeha nanefa ny adidiny anefa, dia mbola nifampizaran’ny ENY sy ny TSIA . Raha ny teto Iarivo, dia nisy ny lesoka, teo amin’ny lisi-pifidianana sy ny kara-pifidianana, mba nanao ahoana re ny tany amin’ny toerana lavitra andriana rehetra tany e ? Imasomahita