mar.
16
nov.
2010
Ny tsy fahaizan-draolombelona mionona amin’izay nanamboarana azy ve sa ny fivoaran’ny teknolojia no mahatonga izao karazana fandidiana rehetra izao ? Voalaza indray mantsy ankehitriny fa miha-mahazo vahana any am-pitan-dranomasina any, indrindra fa any Angletera ny antsoina hoe « vaginoplastie », na ihany koa ny « génitoplastie ». Karazana fandidiana atao amin’ny faritry ny taovampananahan’ny vehivavy izy io. Hanatsarana kokoa ny endriny. Araka izay itiavan’ny tompony azy ny fandidiana. Na hakelezina ny molony ambany amin’ny fivaviana, na esorina ny lohany kely amin’ny « clitoris », na ihany koa hakelezina ny « clitoris ».........
Maniry ny hanana taovam- pananahana toy ny an’ireny vehivavy malaza aranty anaty gazety boky ireny mantsy ny ankamaroan’ny andriambavilanitra any Angletera any. Taovampananahana izay mbola mitana tsara toy ny an’ny tovovavy tsy mbola niteraka, araka ny fanazavana. Misy ihany koa ireo vehivavy izay tratry ny tsy fahatomombanana eo amin’ny molotra ambanin’ny fivaviana, izay diso lehibe loatra. Mahamenatra ny vehivavy sendra izany ny fananana io molotra be io, ka mitarika azy hanao ny “vaginoplastie”. Tsy fantatra mazava kosa ny teti-bidin’izany karazana fandidiana izany, izay inoana fa hidangana tokoa. Ny fandidiana nono fotsiny aza aty amintsika no efa mila manomana hatramin’ny telo tapitrisa ariary raha kely indrindra.