lun.

15

nov.

2010

Saka mpanatody lava

Mpanao politika manao ahoana no afaka hanao politika ao anaty firenena mikorontandrotana? Tsy mazava ny didy amandalàna hitondrana ny tany sy ny firenena ka manjary mifangaro ny fahafahana sy ny tetika hizorana any amin’ny fifehezana sy ny fanarahan-dalàna. Ny fampiharana ny lalàna, na dia ny madinika indrindra aza, dia tsy maintsy hifanatrehana sy ifanarahan’ny mpampihatra lalàna sy ny hampiharana azy. Hoy ny kabarin’Andriana fahiny: “Izay mangalatra, hono, gadraina, ary izay mamono olona kosa vonoina”; dia mankatoa izany kabary sy didy izany no adidin’ny Ambanilanitra satria fantany fa fahavalom- piaraha-monina ny mandika io, ary hankatoaviny koa ny fahefana ananan’ny mpitarika sy ny mpitondra satria resy lahatra amin’ny fitantanana izy ireo. Fa efa aty amin’ny taona arivo fahatelo ny Repoblikan’ny Gasy dia mbola tsy manana didy aman-dalàna tena ahafahany mifehy sy manaja ny fiarahamonina iainany ihany. Anaty korontana sy fifandrohitam-pahefana tsy hita hiafaràna.............

Mifangaro ny ady hevitra politika sy ny fanakorontanana fehezin’ny didy aman-dalàna isan-karazany. Ao no variana mampiteraka an’Ambatobevohoka, ao no variana mitery ronono atao anaty tavy, ao ny mivarotra saka beloha, ao ny manera atodin’osy, tsy vitsy ny mampanantena kobaka mafana. Fa ny Ambanilanitra kosa dia mitanatana vava, tsy mahita ny lalankombana fa manaraka an-jambany. Variana miandry ny mana hilatsaka sy ny fanomezana vaha-olana tefy maika. Hiroso any amin’ny repoblika sy fanjakan’ireo fihetsika marobe ireo isika ato ho ato. Amin’ny fomba manao ahoana no hahazoana antoka ny fanovàna, ny fampanjakana ny fitantanana tsy mitanila, ny tsy hisian’ny jadona sy ny fanamparam-pahefana, ny fahatokisana ny tany tan-dalàna mahay mampihatra ny fahafahana sy ny demokrasia? Nisy hatrany ny tantara tsy maintsy hampahatsiahivina antsika rehetra fa ny fanagadrana sy ny fitanana am-ponja mpanao politika eo ampitakiana hevitra politika (na fomba ahoana na ahoana nanatanterahiny azy) dia mampitsiry ny filaminana tsy azo antoka sy sadasada. Tsy porofo amin’ny fahatanjahan’ny fitantana sy ny fitondrana ny toa izany fa vao mainka mampivoatra any anatin’ny olompirenena tsirairay avy any ny fikomiana anaty. Raha ny fampandrosoana ny firenena no tanjona dia ny fampiaingana ny risi-po ananan’ny daholobe no fanoitra miteraka ny finiavana hampandroso ny toekarena sy hanajàny ny fiaraha-monina iainany. Ny mifanohitra amin’izany dia hiteraka tahotra sy tetiteby ary hakanosana ho amin’ny tsy fandraisan’andraikitra. Vao mainka hijanona amin’ny toe-javatra mampanantena volana an-tenda sy varotra am-pitsanganana ilay firenena malagasy. Raha mialoha indrindra ny fakàna ny hevitry ny Ambanilanitra ny mpitondra ankehitriny, dia samy mahatsapa na dia ireo tsy te-hivaky loha indrindra aza, fa tsy azo antoka akory ny ho avy. Firy tamin’ireo mpitondra avo moa no afaka nanome antoka ireo Ambanilanitra ireo fa hihaino sy hanantanteraka marina ny hetahetany ilay fanjakana izay hatsangana amin’ny alalan’ilay lalàmpanorenana vaovao? Iza amin’ireo izay mandany fotoana mihaino azy ireo no nahatsapa fa tsy fanohizana izao efa hampiaininy ny Gasy izao no hataony? Iza no afaka hanantena fa mety ho ilaina any amin’io repoblika vaovao io ny hevitra sy ny resaky ny tena mpanohitra?Raha vantany vao ho lany ny “ENY” amin’izao fitsapan-kevibahoaka izao, dia hitohy hatrany ny fampanatodizana ”ilay saka nahazo ny hena efa eo ampelan-tanany”. Tsy azo hantenaina ny hisian’ny fitoniana ara-politika, tsy hilamina ny sehatry ny toe-karena sy ny sosialin’ny mponina, satria hiseho lany avy hatrany ny fitakiana ny famoahana ireo nogadrain’ny tetezamita avo.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra