mar.

16

nov.

2010

Raharaha fantsika iray kaontenera: Ny voasoloky indray no enjehina

Amin’ny 10 desambra ho avy izao no hivoaka ny didimpitsarana mahakasika ny raharaha fifampivarotana fantsika, nandeha tetsy amin’ny fitsarana Anosy tamin’ny zoma lasa teo. Raha tsiahivina ny tantara dia nisy olona nividy fantsika iray kaontenera tamin’i RM tamin’ny volana oktobra 2008. Taratasim-bola tsy misy antoka no natolotry ny ramatoa iray, tamin’ny fotoana nandraisany ny entana. Arak’izany dia nametraka fitoriana ny tompon’ny entana izay nanambara fa voasoloky. Nanatanteraka ny asany ny polisy ekonomika ka nanatenteraka fanadihadiana. Tsy nipoitra kosa anefa ny tena tompon’ny vola nividianana entana. Teo dia nanjavozavo ny raharaha. Ny volana oktobra 2009 no niantso ny fitsarana saingy tsy nipoitra hatrany ilay nanolotra taratasim- bola tsy nisy antoka. Didy fampiatoana no nivoaka ka nahatonga ny mpisolo vava an’I RM nampakatra fitsarana ambony...........

Tamin’ny zoma 12 novambra teo dia tsy nisy resaka tao amin’ny efitrano fitsarana satria tsy nipoitra ny notoriana, ary ny an’ity mpitory moa dia ny mpisolo vava azy no tonga teo. Ankehitriny anefa dia i RM, mpitory indray no voalaza fa karohan’ny polisy ekonomika ao Toamasina sy ny borigady manokana eto Antananarivo amin’izao fotoana izao noho io raharaha io ihany. Rehefa nojerena tany an-tranony ny olona karohana dia voalaza fa any Tolagnaro sy any Miarinarivo. Miriaria eny izany ireo voarohirohy ho nisoloky saingy tsy mipoitra eny anivon’ny fitsarana, kanefa tsy namoahana didy fampisamborana. Eo no manahirana ny mpisolo vava ilay tompon’entana voasoloky satria mila tsy ho hita an-javony ity raharaha ity. Ahiana ny fisian’ny ambadika hafahafa amin’izao raharaha izao raha ny fandehan’ny tantara no zohiana. Asa aloha raha mi s y hifandraisany, fa misy orinasa maromaro no velon-taraina amin’ny afitsok’izany vehivavy mpanao taratasim-bola tsy misy antoka izany. Hita tamin’ny fahitalavitra tsy miankina iray izany ny faran’ny herinandro teo. Olona 5 no efa voasolokiny, ary miriaria eny izy na dia notoriana aza. Didy fampisamborana ihany koa no andrasan’ireo olona lasibatra amin’io raharaha io. Izany angamba no hoe “tsy maty manota” ara-bakiteny ? Sa misy ny ambinin’ny lalàna? BEDIM

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra