mar.

16

nov.

2010

Profesora Raymond Ranjeva: Toy ny tsy misy fitsapan-kevi-bahoaka

Tsy niteny fa nihaino ! Tsy midika fahanginana izany hoy ny profesora Raymond Ranjeva. Nambarany io manoloana ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana izao. Naha be resaka tokoa mantsy ny tsy naha teto an-tanindrazana ity profesora ity, ka nitondrany fanazavana fohy. Resaka fampianarana no nalehany tany Bordeau Frantsa nandritra ny herinandro. Indroa nihaona tamin’ny filoha teo aloha Didier Ratsiraka ny tenany ka nifampiresaka ny raharaham- pirenena. Firosoana sahady amin’ny famahana ny olana eto izany, saingy ny azo ambara hoy ny profesora Ranjeva, dia tsy maintsy ho avy ny filoha Ratsiraka Didier..........

Ny amin’ny nandehanany tany Rôma kosa dia noho ny fanasan’I Papa ray masina azy manokana noho izy mpanolontsaina manokana amin’ny lafiny filaminana. Nitondra famelabelaran-kevitra tao amin’ny kongresy eran-tany momba ny “justice et paix” ny profesora ary nohamafisiny fa tsy niresaka raharaham-pirenena tamin’i Papa ray masina ny tenany, izany hoe tsy nisy afa-tsy ny tanjon’ny taonarivo fahatelo sy ny fiangonana katolika. Ny amin’ny lalampanorenana aloha dia nambarany fa tsy misy mahatakatra izay voalaza ao amin’ilay volavola. Io dia tsy hiandrasana firenen-kafa hoy ihany izy, fa ny malagasy rejetra no tokony hiantsoroka ny raharaha. Efa miroso moa izany ny dinika amin’ireo heverin’ny profesora fa hahavaha ny olana. Midika izany amin’i Profesora fa toy ny tsy misy ny referandaoma amin’ny 17 novambra. Ny mikasika ny fisamborana mpanao politika kosa dia namoaka fanambarana mikasika ion y profesora Ranjeva, ary nanombohany azy ny hoe” mbola tsy nisy teto amin’izao tontolo izao, ny fisamborana mpanao politika ao anatin’ny fampielezan-kevitra. Noho izany dia manao izao fanambarana izao ny tenany : Ny fitanana am-ponja an’andriamatoa isany Fetison Rakoto Andrianirina, filoha mpitarika ny anklafy Ravalomanana nandritra ny fifampidinihana nokarakarain’ny vondrona mpanelanelana iraisam-pirenena (GIC) tamin’ny fikatsaham- bahaolana mikasika ny krizy politika eto Madagasikara, ary napetrak’io rafitra io ho filoha mpiara-mitantana ny tetezamita. Zafilahy Stanislas, solombavambahoaka voafidy, filohan’ny vondrona parlemantera TIM, ny Pastore Edouard Tsarahame avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert ary izy 14 mpianadahy hafa, dia fanosihosena ankitsirano ny zo fototra voarakitry ny lalampanorenana, ny zo politika sy ny zo maha olom-pirenena sy nyzon’olombelona. Fitanana am-ponja nanaovana zinona ny zo (droit) sy ny lalàna velona izany, ary endriky ny herisetra politika sy ny ramatahora entina hanakanana fanehoan-kevitra malalaka amin’ny fomba demokratika. Ho fanalam-baraka an’i Madagasikara ny mety hanasokajiana azy ho anisan’ireo fahavalon’ny fandalana ny fahafahana sy ny demokrasia (noho ireo antonym voalaza etsy ambony ireo). Ireo toe-javatra miseho sy fomba fanao ireo dia manaporofo indray ny maha marimpototra ny fitakianay ny hametrahana fitondrana tetezamita tsy miandany ary tsy manilika, ahazoan’ny malagasy maneho hevitra, hisy hihaino ary afaka mandray anjara feno amin’ny firosoana miandalana amin’ny fametrahyana ny fahamarinana sy ny rariny sy ny hitsiny ary ny fampihavanana ao anatin’ny fitoniana tanteraka. Tsy maintsy raisin any fepetra rehetra mba hampitsaharana haingana ireo fihetsika mamoehatra ireo. Hoy ny profesora Ranjeva Raymond Nangonin’i HERY A

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra