mar.
16
nov.
2010
“Tiako raha ianao, satriko ho toa anao…ny namako rehetra. Tsotra nefa madio fo sy fanahy. Toetran’ny olona maro no tiako ho toy ny anao. Mahay mifalifaly sy mahay mandefitra.” Marina ny vetsovetsonao. Namanao aho k’ah! Satrinao aho hambakaina sy ho taingenam-bozona, satrinao tokoa ho toa ahy “bemanaiky” sy hivory hanotrona antsika ny “Bemanaiky” namako. Tena “ENY” eo anatrehan’ny mpanatrika sy ny “vitsy” te-hanara-maso no ataontsika. Nambaranao eran’ny tanàna fa tsy misy toa anao eto. Ianao ihany, ianao hatrany, ianao no tena mahalala izay mahasoa ahy. Misaotra, mankasitraka ny fitiavanao. Matahotra ihany anefa aho indraindray. Tsaroako fa efa nisy “sonia” nataonao talohakely izay, ary nangatahinao hohajaina sy tsy ho azo hivadihana , saingy ankehitriny ianao dia tsy tehitodika amin’iny intsony........
Be dia be ny tambiny homenao ahy rehefa vitako sy hanaiky io sonia io aho. Na trano, na hopitaly, na kianja hilalaovana, na lalana, na sakafo...Betsaka fa tsy tsaroako daholo. Mampanantena matetika ianao fa ho tia sy hanaja ahy. Fa maninona no tsy homenao ahy mialoha ireo fampanantenana ireo? Ireo ” raiamandreniko nijoro” mba nikarakara ny fitakiana sy ny vetsovetsoko dia toa tsy afaka niaro loatra izay mba dinika mialoha nifanaovanay. Misy raiamandreniko hafa ihany koa, any antanin’olona any, kanefa terenao aho tsy hiresaka sy hifanerasera amin’izy ireo, ny antony aloha dia tsy haiko mazava fa lazainao hatrany fa mpangalatra sy mpamono olona ary nanararaotra ny naha-raiamandreny azy, ireny havako ireny. Nisy dadatoanay izay àry dia nalefanao any Ambatolampy any mba haka saina any, fa nandrara mafy ny hanantanterahana ity “raharahantsika” ity. Maromaro ihany anie ny havako no mibitsika sy manao toho-tsofina amiko sy aminao ny tokony handinihintsika lalina amin’izao fanapahan-kevitra izao e! Nisy namanao iray izay aza dia manatsikafona ny hadalàna nataonareo sy niarahanareo hatrizay, ka nitady ny hevitra rehetra nandresy lahatra ireo “bemanaiky” namako sy havako tsy hanatrika sy hanatanteraka izao dingana ataontsika izao. Dia inona ihany izany no hatao? Mikorontana loatra ny saiko hiatrika an’izany satria tsy tony ny foko fa misavoritaka be. Misy havantsika marobe mbola any anaty “geja” any kanefa toa inianao tsy resahana mihitsy? Misy ihany koa ny sasany toa faly ny “hihinan- kanina” fotsiny amin’izao raharaha izao. Tsy maintsy amin’ny seza voatokana,hono, no sahaza an’ireny? Raha hanontaniako ny mety ho ampitsontsika ianao dia tsy misalasala mampatsiahy ahy ny nofinofinao fa tena ho vitanao ny hahatafita antsika. Matahotra mafy aho satria ianao anie toa efa nilaza fa tsy hirotsaka “ho raim-pianakaviana” hitondra amin’ity “fifanekentsika” ity? Toa vao hanomboka izy izany dia fitahinao aho? Sa toky fitaka ity fitiavana harangaranganao eran’ny tanàna ity? Fitiavana an’iza e? Fitiavana ilay “zavatra hosoniaviko” sa fitiavana ahy sy ny “bemanaiky” havako? Asa raha fantatrao fa tsy mila fefy, tsy mila fitaka, tsy misy toerana ho an’izany manara-penitra sy tamby foromporonina izany ny tena fitiavana. Mandefitra sy manaiky ho diso lalana ny tena tia, rehefa manomboka mandrangaranga “tsy fankasitrahana ” ny ankamaroan’ny havantsika. Ony RAMBELO