dim.

14

nov.

2010

Fiarahan’ny mpivady Tazony ny filàna

Manaraka ny vanim-potoana ihany koa ny fiainana arapananahana. Ho an’i Michel Bozon, manam-pahaizana manokana amin’ny “sciences sociales”, dia toy izao manaraka izao ny fomba fijeriny izany eo amin’ny mpivady. Voalohany aloha di a miha-mihena arakaraka ny itomboan’ny taona ny fiainana ara-pananahana. Tsy misy tokony hahataitra izany, araka ny hevitr’ity mpikaroka ity. Ny roa taona voalohany hivadiana no tena mafana, mety hahavita firaisana ara-nofo in-13 ao anatin’ny volana ny mpivady iray raha kely indrindra. Miha-milamina izany taty aoriana ary tsy dia miova firy ho in-9 isam-bolana, manomboka eo amin’ny faha-5 taonan’ny mariazy...........

Fantatra kosa anefa fa mitombo sy miaka-danja manaraka ny taona ny fahafinaretana. Raha ny antsasa- manilan’ny lehilahy no tsy mahay mitazona ny ranon’ainy tsy handeha diso aloha loatra raha any ampiandohana dia iray amin’ny efatra sisa no mbola miaina izany afaka dimy taona iarahana. Saingy mitombo manahaka izay ihany koa ny mety ho tsy fahafaham-po eo amin’ny lahy sy ny vavy. Manome lanja tanteraka ny hahatomombana ny tokantranony ny vehivavy. Mitady izay ampanjariana ny fiainan’ny ankohonany kosa ny lehilahy. Tsy mahazo ny laharam- pahamehana intsony ny fiainana ara-pananahana amin’ny maha-fampiraisana ny mpivady azy. Manampy trotraka izany ny fahatongavan’ny zanaka sy ny adidy aterany. Mila mitandrina anefa rehefa mandom-baravarana izay tranga izay, satria mety hihena ny filana eo amin’ny mpivady. Ny filan’ny vehivavy no tena marefo indrindra noho ny an’ny lehilahy, raha ny voalazan’ity mpikaroka ity ihany. Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny olon-droa mifankatia ny fanorenana tokantrano. Iny no porofo matotra indrindra fa misy ny fitiavana ary vonona handia ny fiarahana mandrakizay izy roa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra