sam.
13
nov.
2010
Any Antanimora iny olona iny no miandry ny fahavitan’ny fitsapan- kevi-bahoaka izay notoheriny hatramin’ny voalohany. Azo antoka fa mbola marobe no hanampy azy any, ary manampy isa ireo mbola marobe any amponja any iny olona iny. Tsy vitan’ireo mpihazona ny fahefana mihitsy no nandresy lahatra iny olona iny sy ny mpanara-dia azy, fa izao lalan-jotrany izao no vaha-olan’ity firenena ity. Tsara ny mampahatsiahy fa rehefa nirodana ny fanjakana notarihin-dRamose dia nisitritsitrika daholo ny ankamaroan’ny mpanao politika nanohana ny fitondrana teo aloha, na dia ireo filohan’ny andrim-panjakana isan-tsokajiny aza dia tsy hita popoka fa nivalona tany ambadimbadika tany daholo, fa iny olona iny kosa dia nijoro ary tsy menatra niaro hatrany ny fotokeviny sy ny fahafahany ka nampiseho tamin’ireo rehetra mpanaraka ny vaovao politika fa izy dia mitondra ny hevitry ny filoha teo aloha..Hatramin’ny voalohany dia efa nilaza iny olona iny fa fanonganam-panjakana no niseho teto amin’ny firenena ary tsy maintsy haverina sy hajoro eto ny ara-dalàna manaraka ny lalàmpanorenana.........
Tsy nisy nanampo an’iny olona iny ho lasa mpitarika ny ankolafy iray ny mpanara-baovao sy ny ankamaroan’ireo mpanao politika malagasy. Manana fanehoan-kevitra tena tony sy tsy mitratrevatreva iny olona iny, ary manahirana ireo mpifanandrina aminy ny fahaizany mifehy ny ady hevitra izay hatao. Raha vita ny fifanarahana tovana tany Addis Abeba dia nanahiran-tsaina ny mpitondra tetezamita ankehitriny ny fihetsik’iny olona iny. Nandritra ny fivezivezeny teto an-tanàna sy ny fitsidiham-paritra nataony dia nigagan’ny rehetra ny arofenitra sy ny fiarovana azy, ary izany dia anisan’ny fototra tena nampiahiahy ny mpitondra ankehitriny satria natahotra ny hosongonan’iny olona iny izy ireo. Tantara efa mivalona izany amin’izao satria raha ny ady hevitra hatrany no nataon’iny olona iny, dia voatondro ho mpanakorontana izy, ary lasa lehiben’ny mpanao herisetra. Talohakelin’iny fotoana nampidirana am-ponja azy iny dia marobe no hevitra navoakan’ireo mpananty ràn-kena fa iny olona iny no olan’ity fitsapan- kevi-bahoaka ity. Koa azo antoka izany fa hilamina sy hiova tokoa ny tontolo politika rehefa voatana iny olona iny? Somary nahabe ahiahy ny mpiara-mitolona aminy ihany koa ny fomba fijerin’iny olona iny, ka natahorana mihitsy ny fizarazarana arakevitra sy nitarika ny gidragidra nomban’ny fanim-ban-javatra. Iny olona iny anefa dia nahay nitsinjo hatrany ny mety fizarazarana ka nataony vain-dohan-draharahany ny fihavanana sy ny fanatona avy hatrany ny mpanao fanadihadiana sy mpampihatra ny lalàna ny rehetra mba samy hitady ny vaha-olana ho an’ny firenena. Porofon’izany ny fanelanelanana saika nataony tamin’ireo nitandro ny filaminana tamin’iny andron’ny korontana iny. Saingy tsy nisy nino sy nihevitra ny hidinika amin’iny olona iny intsony ka sakoroka no niafaràny. Nataon’iny olona iny am-pahombiazana hatrany izany, na dia fantany tsara aza fa hiafara amin’izao toe-javatra iainan’ny firenena izao. Dia miandry isika ary hahita raha tena mpanao politika marina mahafehy ny vanim-potoana iny olona iny, fa tsy tongatonga ho azy sy tsy nampoizimpoizina fotsiny. Tsy miankina amin’ny fihetsiky ny mpomba azy tsirairay avy intsony mantsy izao ny tondro-zotran’ny fanaovana politika eto Madagasikara, fa miankina indrindra ihany koa amin’ny fampiasana hery sy fahefana ho amin’ny fiarovana ny tombony ho an’ny mpitondra fotsiny. Raha mpanao politika tena mahatsinjo ny fitantanana ny fanjakana ho amin’ny tena fitsinjovana ny ady hevitra tena hampandrosoana dia samy hanembonembona ny fomba fihetsik’iny olona iny avokoa. Fa amin’izao aloha dia voatàna ny “mpanakorontana” ka ho azo antoka ny filaminantsika mianakavy. Dadan’i Ranto.