jeu.

11

nov.

2010

Tsy fahampian’ny traikefa: Sakana ho an’ny fitiavana ?

Maro karazana ny fanadihadiana natao eran-tany mahakasika ny tontolon’ny fitiavana. Voalaza tamin’izany fa tsy tokony ho sakana velively ny tsy fahampian’ny traikefa. Ny 35%-n’ny lehilahy dia milaza avokoa fa tsy mametraka olana ho azy ireo izay tsy fahampian’ny traikefa izay. Mitovy amin’izay ihany koa ny tsapan’ny vehivavy. Ny 36%- n’ny vehivavy no milaza ho tia lehilahy tsy manana na tsy mahay loatra, noho ireo efa be traikefa amin’izany lafiny izany. Mahafinaritra kokoa ny vehivavy ny fiarahana amina lehilahy tsy dia nifankatia tamim-behivavy maro an’isa loatra, noho ny fanahiany ny fampitahana mety hataon’ilay lehilahy. Na izany aza dia mety ho olana eo amin’ny fitiavana izay tsy fahampian’ny traikefa izay. Ny 21% no mahatsapa izany eo amin’ny vehivavy. Ny 24%-n’ny lehilahy kosa no misafidy ny tsy hanorina fiainam-pitiavana mihitsy amin’ny olona tsy manana traikefa.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra