jeu.

11

nov.

2010

Nidonan-tsetroka indray Antananarivo

Efa nampoizina ihany ny mety hisian’ny sakoroka eto an-drenivohitra, araka ny teny efa natsidiky ny mpanohitra izao fitondrana tetezamita izao. Raikitra izany, omaly tetsy Antanimena, rehefa nifampihantsy ela teo ny vahoaka sy ny mpitandro filaminana. Nikasa hiditra tao amin’ny kianjan’i Malacam, araka ny fahazoan-dalana efa nambara azy fa indroa isankerinandro ihany no azony ampiasaina, ireo vahoakan’ny ankolafy Madagasikara. Efa nivova anefa io araka ny fanazavan’ny prefet de police eto Antananarivo satria raha ny CUA no nanome alalana hampiasana io dia ny prefet de police ihany no afaka manome alalana. Foana izany io fahazoan-dalana io ka ny tale kabinetran’ny kaominina no nanazava fa ho an’ny fanatanjahantena io kianja io manomboka Alakamisy hatramin’ny alahady......

Dia raikitra ny sakoroka. Henjakenjana ihany ny fifanandrinana na dia tsy naharitra aza satria dia ravan’ny mpitandro filaminana ihany. Nidonan-tsetroka teny amin’ny manodidina an’Antanimena sy Behoririka teny. Tsikaritra fa niha maro ireo mpanao fihetsiketsehana ka tsy antonona tao amin’ny Magro Behoririka toerana niatombohan’ny fifanjevoana. Velona ny kiririoka ka teo no nahataitra ny mpitandro filaminana. Tamin’ny 4 ora tolakandro teo dia fantatra fa mpanao fihetsiketsehana roa no voasambotry ny mpitandro filaminana. Manomboka mandry tsy lavo loha indray ny mponina ao ampovoan-tanàna ao. Efa nanakaton-trano aovkoa ireo mpivarotra teny amin’ny manodidina ary tsy sahy nisokatra omaly tontolo andro. Tsy hihemotra ireto mpanao fihetsiketsehana araka ny nambarany fa hanohy ny tolona efa natombony. Maresaka teny an-kianja moa ny hiakaran’ny hafanana eo amin’ny resaka politika satria amin’ny faran’ny herinandro izao dia tsy maintsy hanatanteraka hetsika fanoherana ny fitsapan-kevi-bahoaka eto Antananarivo i Monja Roindefo. Tsy mifanalavitra amin’io ny hevitr’ireto ankolafy Madagasikara ireto, ka asa izay hiseho na hahay hiaraka amin’ny ankolafy nanohitra ny fanonganam-panjakana nataon’i Roindefo ireto ankolafy telo ireto na hanindry fo ka ny fanafoanana referandaoma no jerena ary mba miarakaraka amin’i Monja eo aloha. HERY

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra