jeu.
11
nov.
2010
hazoan’ny rehetra sy ny « tsy mandady harona » tombony ho azy, dia tokony hifanotronana ny fanantanterahana azy. F’angaha moa rehefa mahantra sy sahirana ny firenena na ny vahoaka dia tsy maintsy hivaro-tena, na hofitahina sy hampisotroina rononon’alika(*)kosa? Tsy misy manery ny fitondrana ankehitriny hiroso amin’io lalan-jotrany io anie e ! Sitrapon-dRalakamisy ny azy? Tsy amin’ilay mahazatra fa “ivelany” hafahafa. Tadidio fa efa fikan’antitra anie ny an-dry Profesora tamin’io manao sisik’ila amin’ny famatsiam-bola sy fiaraha-miasa amin’ny tompom-bola tsy hay sy tsy fantatra io e! Taiza moa ny firenena efa nanaovan’ilay Sosiety an-dry Kelimaso SONAGOL tetik’asa talohan’izao nahatongavany eto izao? Tany Guinée! Tany amin’ilay tany mikorontana ara-politika toy ny nanjo antsika noho ny fifandrohitam-pahefana. Ary tsy iny ihany fa efa nisy firenena Afrikana ihany koa nanamparan’ilay WISCO (mpitrandraka ny vý ao Soalala) ny fahaizany koa anie e!........
Dia heverinao fa tongatonga ho azy amin’izao ny Kelimaso? Mbola Sinoa ihany koa no hanatanteraka ny lamasinina tramway amin’ny alalan’ilay China international found. Aleo hazavaina fa nangataka tamin’ny mpitondra tany Guinée tany mirefy 17.000km² be izao io SONAGOL io mba hanaovany sy hamaharany amin’ny fitrandrahana vý any amin’io firenena io, ka ny 10.000km² amin’io dia mbola hitrandrahana bauxite sy alumine. Dia anjarantsika mianakavy no mieritrertra sy mandalina fa tsy misy olona sy Sosiety be fitiavana ka hanao asa soa ho antsika izany eo. Inona no notakian’iireo Kelimaso ireo tamin’ny mpitondra ny firenentsika? Fa maninona ny Kelimaso no misolatsolana any amin’ireo firenena misy tsy fahamarinantoeran’ny fitantanana? Fa hoentina ho aiza marina ny firenena malagasy ity? Raha misy ny fitoniana ara-politika sy ny fankatoavan’izao tontolo izao ny rindran-damina tena ahafahana mitsinjo marina ny mponina ao amin’ity firenentsika ity, dia azo antoka fa matahotra ny hisehoan’ireo tambitamby any ambadika izao fitondrana izao, ka hiarihary daholo ireny fifanarahana atao amin’ny “mpibizina Kelimaso” sy ny Arabo, mbamin’ny Karàna ireny. Tsy fankahalana na tsy fitiavana ny fifandraisanaamin’ny any ivelany akory izany fa filazàna fa tsy ny fanjakàna SINOA no mifampiraharaha amin’ny mpihazona ny fahefana ankehitriny amin’ny tetik’asany fa vondron’olona mpandraharaha mpihaza ny tombotsoany any amin’ny firenena hanjakan’ny tsy filaminana. Rehefa ho lany ve ny ala atsinanana tsy hangadihady sy ho ngazana ny tanàna ; Dia iza no homen’ny taranaka fara-mandimby tsiny eto? Ny fitiavantenantsika ankehitriny dia manao tantaely afa-drakotra sy tsy mitsinjo ny ampitso ka manao ho antoka etsy sy eroa ny fahatrantsika. Moa tsy fivarotana tany sy ny fitsofohan’ny vahiny hanao fambolena no nivazavazana teto fa mahatonga ny fahantrantsika? Mora manadino ve ny vahoaka sa ny mpitondra no manao zinona ny hambo tokony ho tazonina ka lasa mpivaro-tena ampahibe maso? Dia faly sy mihoby isika fa hahita tombony amin’ilay tetik’asa. Inona no andraikitr’ireo notendrena hiasa eny Tsimbazaza sy Anosikely amin’ireny toe-javatra ireny? Sa bizina ataon’ny mpitondra avo fotsiny ho azy irery izany? Koa inona no nisafidianana izao fampijalian- tena izao raha ny nataon’i Dadabe ihany no dimbiasin’i Dada, ary vao mainka hamafisin’i Lita? Aoka fa resy aho! (*) Vakio « hitery alika », basy tsy mipoaka amin’ny 28 oktora 2010 Ony RAMBELO