lun.
08
nov.
2010
Tsy hita intsony ny naha-zava-kanto ny zava-kanto raha ny vava sy ny fihetsika ampahibemaso nasehon’ireny olona ireny. Tena saika raikitra ny rombo ! « choc choc » araka ny vazon’ny iray amin’ireny olona ireny. Fa tohin’iny hira iny ihany koa ny hoe : « halako ny olo miady ». Dia tsy niady tokoa satria izay to fo, hono, mpamosavy. Fa hita miharihary ihany fa raha vao miresaka lalàna manankery dia tsy maintsy misy ny ambadika politika e! Fa ny politika tokoa ve no nampizarazara ny hevitr’ireny olona ireny? Fa iray ihany kosa aloha ny hevitra nampiray feo azy rehetra ireny e! Samy tsy tia ny fanararaotana ny hatsembohan’ny hafa daholo ireny olona ireny. Fa misy ihany koa ny tao anatin’ireny olona ireny, no nahatsapa fa misy piraty hafahafa mihitsy eto amin’ny tany sy ny firenena ka te-hiaro ny tombotsoan’ireny mpanao dinta homan’omby ireny. Anisan’ny antony mety ho azo hanasokajiana ho fiarovana tombotsoa ihany koa izany fihetsika izany, ary izay no politikany ka tsy hifanomezana tsiny. Anisan’ny programa mantsy ny hananganana “brigady manokana” hanenjika piraty.......
Koa maninona, hoy ireny olona ireny, raha zarazaraina ny mpitandro ny filaminana ka hisy brigady tsy hanenjika afa-tsy mpangalatr’omby, mpanafay mpangaro-paosy, tsy hanandraharaha afa-tsy fanenjehana mpanolanana, tsy hanenjika afa-tsy fandikan-dalàn’ny mpitatitra…Ka raha ilay voatokana hanenjika mpangalatr’omby no mahita piraty dia hilalao tanana fotsiny ? Misy hatrany amin’ireny olona ireny tsy mijery afa-tsy ny ambany orony sy zatra manompo mpanao politika na dia mandà mafy an’izany fihetsiny izany aza ny ankabeazan’izy rehetra ireny. Tsy fantany intsony ny fanakianana sy ny vava isan-karazany tao anatin’ny kantony rehefa tojo azy ny tombotsoany manokana. Ny hafa amin’ireny olona ireny indray dia tsy mahatoky ny mpitondra intsony mihitsy satria tondroiny ho mbola piraty sy mpiaro ny hevitra piraty. K’inona izany no mety ho tohin’ny resaka fitakiana nataon’ireny olona ireny raha nizarazara be toy izao ny heviny? Ny zavatra azo antoka dia tsy maintsy hisy hatrany ny varotra piraty satria goragora ny fanenjehana azy ireo, ary azo antoka fa misy mahita tombony betsaka amin’ny firoboroboan’ny piraty anie e! Na mpitondra, na mpanjifa, na ireny olona ireny aza dia misy tsy te-hiady amin’ny piraty akory. Mbô eh! Dadan’i Ranto