sam.
06
nov.
2010
Nanao ny nataony indray ireo mpitantana ny taranja baolina kitra nandritra ity dingana farany amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara na ny THB Champions League ity. Raha efa samy niomana ny hiatrika ny andro faharoa avokoa ireo ekipa efatra taorian’ny antsapaka natao teny amin’ny kianjaben’ny Mahamasina noho ny samy fitovian’ny isa vokatry ny ady sahala dia natsimbadiky ny FMF indray izany. Nanjary ny Japan indray no nifandona tamin’ny AS Adema ary ny CNaPS ho an’ny Akademia Ny Antsika. Antony, nanjary nisy indray ny fikaontina ny “goal average” raha nasiana “match d’appui” foana izany hatrizay toy ny nitranga tany Ambatondrazaka nandritra ny dingana voalohany sy tany Toamasina tamin’ny dingana faharoa......
Sady efa ny alarobia vao nandefasana mail ireo ekipa mpifanandrina mikasika izany fiovana izany. Na tiana na tsy tiana dia nisy akony tamin’ireo mpilalao izany, araka ireny hita ny alakamisy lasa teo ireny. Ankoatra izay ny tsy fahatomombanan’ny fandraisana sy fikarakarana ity “poule des as” ity. Tsy misy na dia ambulance iray akory aza. Niandry minitra maromaro mihitsy vao nisy olona sahy nandray andraikitra nanoloana ny ratra goavana nahazo an’i Carolus, lohalaharan’ny Akademia Ny Antsika. Na dia ninainaina mafy aza mantsy i Carolus dia tsy nisy ambulance nahafahana nitondra azy tany amin’ny hopitaly. Ny fiaran’ny filohan’ny ligin’Analamanga no nitondrana azy tany. Tsy nisy na dia tamingana polisy ihany koa. Soa fa tsy nisy nihoa-pefy ireo mpijery marobe. Tsy mbola fantatra anefa izay hitranga amin’ny alahady ho avy izao. Zaka Fils