sam.
06
nov.
2010
Miditra an-tsehatra ny mpikambana ao anaty tetezamita mampandresy ny ENY any anivon’ny kaominina sy ny distrika rehetra. Ny mpanankanto no entina hanangonana vahoaka, mba hihaino ny fanazavan-kevitra ataon’izy ireo. Porofon’izany ny nataon’ny ministra Virapin tany Ilakaka. Hentitra ny baiko, ny tsy maintsy handresen’ny ENY. Na dia mandeha aza ny ora sy ny fotoana, dia zara raha misy mahafantatra ny vontoatin’io lalampanorenana asaina ho lanian’ny vahoaka amin’ny 17 novambra io. Eny fa na dia ireo mpikambana ao anatin’izao fitondrana izao aza, dia vitsy no tena mahafantatra ny ambangovangon’izay voarakitra ao.....
Maro no mitsipaka azy ity, ary isan’ny efa naneho ny heviny manoloana io ny filoha teo aloha Ravalomanana, Ratsiraka, ary Zafy Albert. Ny sehatra iraisam-pirenena toy ny Amerikana sy ny SADC ary ny vondrona Eropeanina dia efa naneho ny heviny. Ny vahoaka sy ny mpanao politika eto an-toerana ihany koa etsy ankilany, dia maro no mitsipaka ny fanaovana azy io, satria toa nirotorotoana be ihany ny fanaovana ity fitsapan- kevi-bahoaka ity. Raha 20 tapitrisa ny vahoaka eto, moa mba misy 1000 amin’ireo ve mahafehy tsara izay voalaza ao ? Midika avy hatrany amin’ny mpandinika politika io, fa hirodana ny tetezamita, raha mandresy ny TSIA. Voalohany amin’io ireo olona nametrahana andraikitra isaky ny fokontany sy kaominina, ary distrika, dia hafindra amin’ny andraikitra notanany. Tsy hanana tetika hidirana any amin’ny repoblika faha-efatra intsony ny fitondrana, satria efa notsipahin’ny vahoaka ny teti-panoron’izy ireo. Raha mandresy kosa ny ENY, dia tsy hitondra filaminana mihitsy izany, hoy ihany ireo mpanao politika ireo, satria hitondra jadona ho an’izay mitondra eo ny fahefana mivangongo eo ampelan-tananan’izay filoha lany eo. Ny sehatra iraisam- pirenena efa manome lamosina ity fitondrana ity, sy ny fifidianana hatao, ary dia hihanjahanja irery eto isika. Raha tena tsy ilaina intsony tokoa ny firenena vahiny, inona moa no sakana tsy hilazan’ny filohan’ny tetezamita ankehitriny milaza fa tsy mila anareo intsony izahay, fa ndehana ianareo mody any amin’ny firenena niavianareo avy ? Basy vava