sam.

06

nov.

2010

Fiarahan’ny mpivady Hikilaoty sa tsia ?

Safidy ny fiainana. Ao ny mankafy ny firaisana ara-nofo miaraka amin’ny kilaoty. Ao ny mankafy azy miboridana mihitsy. Mialoha ny handraisana fanapahan-kevitra dia tsara ihany ny mamantatra ny momba ireo tontolo roa ireo. Ho an’ireo mpandala ny mikilaoty ary dia voalaza fa vao mainka manaitaitra ny fisaintsainana ny zavatra afenin’ilay fonony ivelany iny. Betsaka sy maro karazana rahateo ny atin’akanjom- behivavy tena manaitra raha topazana maso fotsiny ihany aza. Tsy voatery ho kilaoty samirery ihany koa ny atin’akanjom-behivavy. Ao ny ba mainty manify, ny amboradara isan-karazany amin’ny lokony maro maha-te ho tia. Mampiakatra ny filana ny fifampikasohan’ny tanana amin’ny karazana lamba nanjairana ilay atin’akanjo. Ho an’ireo tia ny natiora kosa dia ny tsy misy atin’akanjo no tena mety aminy. Mbola hafa ho azy ireny ny fahazoana miaina ilay fotoana manaisotra ny atin’akanjo manelingelina. Mbola miavaka ny fifampikasohan’ny vatana roa avy hatrany, tsy misy sakantsakana. Manginy fotsiny ny tanana tia karokaroka, tsy misy lamba manarona. Mipetraka amin’izay ary ny fanontaniana. Misy atin’akanjo sa tsy misy ? Miankina amin’ny fihetseham- po isan’andro ihany koa anefa ny mety ho valin’izany. Indraindray misy, ilaina ihany koa ny tsy misy. An’ny mpivady ny miara-mamaly azy sy miara-manandrana azy, araka izay itiavany azy eo.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra