sam.

06

nov.

2010

Bodo ngerona(*)

Hitodika amin’ilay fotoana etsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena hotanterahina anio indray ny resaky ny mpanantena mana hirotsaka. Tsy mazava io hetsika io na inona na inona hanazavàna azy. Iza no mamory sy te-hiresaka amin’ny “vahoakan’Antananarivo”? Ilay mpitari-tolona malaza ho nanao ny hetsika mivolon-daoranjy? Sa ilay mibodo ny fahefana ankehitriny? Dia iza no hamaly ny antsony? Ireo mpankasitraka ny bodongerona sy ny fiherarehana ho vonon-ko tompony? Fa atao inona resaka amin’ny “vahoaka”? Fa angaha tsy mpitondra manana ny fahefana? Tsy vita any anaty lapa ve izany resaka izany dia hialoavana “hiram-pirenena” toy ny mahazatra ny fanaovana azy? Tsy azo nampitaina amin’ny alalan’ny didy sy lalàna koa? Sa isika ity ve miverina any amin’ny taon-jato faha-17 ? Omaly dia tsipahina an-kitsirano ny fambolena hetsika ataon’ny mpitondra mandritra ny fotoana fanantanterahana ny fampielezan-kevitra satria mampifangaro ny fahefana sy ny lalana hizoran’ny antoko. Androany dia manjary mety sy azo atao daholo na hitsotra na hivokona. Izany ilay fanamparana fahefana sy fampiasana ny tombony ara-pitantanana ho amin’ny tombotsoan’ny tena manokana, na ho amin’ny antokon’ny tena........

Hilazalaza ny zava-bitany nandritra ny fotoana naha-teo amin’ny fitantanana ny raharaham-pirenena nanomboka hatramin’ny Martsa 2009 no mankaty ilay mpamory ny ambanilanitra, araky ny dokam-barotra sy ny filazàna mialoha ny ho fandaharam- potoana. Dia ho tanisaina izany ny ezaka marobe vita ho amin’ny fanovàna teto amintsika nandritra izay fotoana lavabe izay. Na ny lafiny politika, ny sosialy, ny fifandraisana iraisampirenena isan-tokony. Dia holazaina indray ny hambo isan-karazany sy fampanantenana ho amin’ny fanantanterahana fotodrafitr’asa marobe: Sekoly, hôpitaly, kianja manara-penitra…sy ny maro be tsy ho tanisaina. Tohizo fa tsara tokoa iny lalana iny. Dia iza no sahy hanakiana sy hilaza ny fisehon’ity famoriambahoaka ity ho “fandikàna lalàna“ tsora izao? Tsy misy, ary tsy hisy satria lasa “ara-dalàna” sy eken’ny rehetra ny bodo ngerona sy ny fihazonana an-keriny ny fahefanan’ny bemanaiky. Ho ela velona ary mahatanjaha fa hery lehibe amin’ny fanasohasoana indray no ho tanteraka manomboka izao anio izao e! Samy te-hanao izay hitsin’ny lohany avokoa , na ny mpanao politika mpitondra, na ny mpanao politika ety ivelan’ny lapa, na koa ireo vahoaka entina. Ary endrik’izany ity famoriam-bahoaka miseho anio ity. Dia tonga te-hanao izay tiany sy mba sitraky ny fony ny ihany koa ireo firenena hafa any ampitan-dranomasina rehetra any, satria na ny eto anantiny aza tsy voafehintsika sy tsy hifanarrahantsika: Io i Lafrantsa manao bodo ngerona, miady mafy mitana ny toerana. Ny Be kintana liana mitrerona mitady hitsabaka anaty tsy ho ferana , ny Sinoa dinty miraikitra, io ny Tiorka sy Pakistané fa manaikitra. Io i Iran fa manao tana-poza, io Arabia Saodita fa manao rivo-doza. Izy rehetra dia samy mamely, hatramin-dry zareo any Israely. Ireo rehetra ireo dia “tia misavoritaka fotsiny” sady variana miaro ny “hazany” . Atrehana ny anio, ary hijery ny ho avy? Avadika ho asa avy hatrany ny fijery izay ny ho avy izay? Nofinofy lalina angamba izany! Tsy maintsy ho viravirain’ny firenena vahiny ny tany hanjakan’ny gaboraraka sy tsy tan-dalàna. Ny mpitondra sy mpitarika tsinona tsy mety mihaiky fa mpanao bodo ngerona. (*) Mitana zavatr’olona ka tsy mety mamerina izany na inona na inona atao azy Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra