ven.

05

nov.

2010

Nokaikerin’ny amboakely tiany

Mijoro hatramin’ny farany iny olona iny na dia voahilika tsy ho filohan’ny ben’ny tananan’Analamanga intsony aza. Mbola nahazaka ireo ben’ny tanàna an-jatony, nanatanteraka fivoriambe. Hatramin’ny nialàny teo dia indro fa manana endrika manohitra ny fitondrana nimatimatesany iny olona iny. Tsy niafina fa anisan’ny nafana fo nitondra ny loko manga sy volomboasary iny olona iny, ary tsy azo lavina fa tompoàn’andraikitra tamin’ny fisian’ny krizy eto amintsika. Nanenina iny olona iny matoa sahy mijoro manohitra ny baikon’ny mpitondra akamany fony namorona krizy......

Anisan’ilay « nokaikerin’ny amboa kely tiany » koa iny olona iny. Tsy iny olona iny ihany no nahalala ny tenany ho tsy hahazo seza, fa ny mpanohana azy sy ny manodidina azy dia nanantena fa fara fahakeliny mba minisitra io olona io. Nahazaka ny mponin’antsimondrano iny olona iny, tamin’ity lokon’ny TGV ity. Ankehitriny, hahavita hanohitra ny FAT ve iny olona iny ? Maromaro ihany mantsy ireo ben’ny tanàna manohana ny heviny. Sakana ho an’ny fifidianana ben’ny tanàna iny olona iny, raha izao no mitohy. Izy rahateo dia efa naneho ny heviny amin’ny fanentanana ny ben’ny tanàna namany, mba tsy hanaiky ny fanapahan-kevitry ny fitondram-panjakana. Ny azo antoka anefa aloha dia te ho olom-boafidy hatrany iny olona iny. Manana lanja amin’izany rahateo izy, raha ny zava-bitany, fony andron-dRavalomanana. Tsy mba voakiana iny olona iny tamin’izany fa tena nampiseho ny fahaizany niasa. Niseho tamin’ny haino amanjery matetika iny olona iny tamin’izany fotoa na izany. Ankehitriny dia variana amin’ny adilahy politika iny olona iny. Hadinony ny vahoaka eo ambany fiahiany. Izay tokoa ve no vokatr’ilay tsy fanekena ny tenin’ny akama HAT? Tsy afaka handà intsony iny olona iny, fa nisy ny nenina noho ny fahadisoam-panantenana. Mbola ao anatin’ny ady anefa iny olona iny ka ho hita eo raha mbola hanan-kambara amin’izao fanombohan’ny fiolatsahan- kofidiana ben’ny tanàna izao. HERY A

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra