ven.

05

nov.

2010

Ministra Organès: Ho voadaka, sa hametra-pialana ?

Tsy nahita rirany tamin’izay rehetra natao ny ministry ny Polisy Organès tamin’ilay raharaha nambara fa nahatafiditra ilay mersenera teto Madagasikara ny herinandro iny. Teo ihany koa ny fanalàna amin’ny toerany ny Kaomisera Brunel Razafindrahofa izay lehiben’ny fiarovana ny sisintany eny Ivato. Nolavin’ny teo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ny fikasan’ingahy ministra hanova io kaomisera io, na dia efa tonga handray ny fahefana aza ny olona notendren’ingahy ministra hisolo ilay kaomisera nesoriny tamin’ny toerany. Resy tanteraka ny ministry ny polisy, raha io fandehany io no asian-dresaka, satria tsy nahita rirany tamin’izay nataony izy. Ity kaomisera saika voadaka tamin’ny toerany ity koa etsy ankilany, dia nilaza ny marina hatramin’ny farany, ary sambany vao nisy olona eo ambany fifehezan’ingahy ministra sahy namaky bantsilana ny zavatra nampanaovina azy. Ny fanontanian’ny mpanara-baovao, dia ny hoe sahy hametrapialana ve ingahy ministra sa miandry ny fandroahana azy amin’ny toerany ? Raha ny feo mandeha mantsy, dia isan’ireo tsy ho ao anaty lisitra intsony ny tenany, raha vao misy fanovana Governemanta aorian’ny fifidianana izao ? Raha ireo tranga niseho momba ilay fampidirana ilay mersenara iny no jerena, dia mety tsy hipetraka aminy intsony ny fitokisan’Ambohitsorohitra, matoa tsy nahita rirany tamin’ny fanalana ny kaomisera Brunel ny tenany. Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra