ven.

05

nov.

2010

DINAM-PIARAHAMONINA sa LALAM_PANORENANA no HOFIDIANA?

Ety amboalohany dia efa tsy mitovy ny hevitra atolotra ho amin’ny fitsampan-kevi-bahoaka kendrena ho tanterahina ny 17novambra 2010. Misavorovoro ny sain’ny vahoaka Malagasy indrindra any amin’ny toerana lavitry ny vaovao tena izy any; satria Dinam-piarahamonina no nandrasan’ny olona hodinihina sy hivoaka tamin’ireny Fihaonambe isankarazany ireny. Saingy tsy izany no natao.

Ho anay hoy ny maro “tsy ny rafitry ny Fanjakàna no maha maika, izay ny teo ihany no teo nandritry taona ampolony maro naha Repoblika an’i Madagasikara izay. Kanefa ny fiainanay dia mikororoso lalandava mankàny amin’ny FAHANTRANA… Koa ny DINAM-PIARAHAMONINA no tokony ho jerena lalina ary iadian-kevitra fa tsy ny hoe: Régime inona no apetraka: Semi presidentiel sa semi parlementaire…?”Izay voambolana vahiny tsy hainay akory ny votoatiny? Ho an’ny hafa indray, izay tsy mba nantsoina akory nandray anjara tamin’ireny “Fihaonambem-paritra” na “Dinika santatra” ireny dia hoy izy ireo hoe: “aleonay ihany miaina amin’ny safidim-piarahamonina mifototra amin’ny FOKONOLONA izay nahitàna soa hatramin’ny razambe tany aloha tany kanefa nalevin’ny mpanjanan-tany frantsay…” Sady efa nandramana teto Madagasikara koa anie ny foto-kevitra nindramina avy any ivelany toy ny PISO-DIA, ny SAOSY-RALISMA sy ny LEHIBE-RALISMA, fa ny teo ihany no teo é..!” .........

Koa Repoblika Fahefatra mandeha mankaiza ary? Raha anontaniana indray ny tanora mpifidy feno 18 ka hatramin’ny 35 taona, na miditra an-tsekoly na tsia, mikasika ny hoe: “inona no atao hoe LALAM-PANORENANA?” dia izao no valiny: “lalàna tokony hifehy ny Mpitondra fanjakàna sy ny mpanao politika HANORENANY HARENA BE!!” Tsy lainga izany na vazivazy satria tao anatin’izay roa taona niainana krizy izay dia very fanahy mbola velona ny vahoaka Malagasy hany ka very koa ny safidiny. Ataonao ahoana no iandrasana ny valin’ny fanontaniana hoe “tianao ve ity lalàm’panorenana atolotra anao ity, amin’izany toe-javatra mifamahofaho izany? Ny ankamaroany dia tsy matahotra milaza fa: “Ny maha metimety ny fiainana isan’andro aloha no hatrehiny; satria na ENY na TSIA no hiseho eo, tsy mitondra mankaiza izany..;” Raha fehezina dia aleo hajanona aloha izany “Référendum” izany sady mbola tsy milamina ny tany sy ny Fanjakàna. Ny sain’ny olona koa mbola mandeha ho amin’ny “valy faty” sy ny fifanenjehana isan-karazany. Mifampihavàna aloha e!!

“FIANAKAVIANA MITSINJO LAVITRA”

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra