jeu.

04

nov.

2010

Mandry ilika

“Izahay dia tsy mivonona hiala sy handingana ny Vondron’ny tany miteny Frantsay”. Tsara izany, hoy ny mpanatrika sy ny mpaka fafiny amin’ny fanindrahindrana vahiny. Tsy noterena na novozonana ny Gasy hiditra amin’ny fikambanana sy sehatra iraisam-pirenena. Fa mihevitra ho mahasolo tena sy afaka miresaka amin’ny sehatra iraisam-pirenena angaha moa ilay niteny irý teny tetsy aloha irý. Ireny fihetsika ireny angamba no antsoina amin’ny tenindrazana hoe: Ny valala tsy azo raha tsy handriana ilika. Raha vao misy fitangorongoran’ny vahiny avy any ivelany any dia io fa mendy isika manasokajy ireny olona ireny ho “ilay sehatra iraisam-pirenena”. Dia mivazavaza eo, miseho ho mpampianatra ny hafa, dedaka milaza fa safidin’ny malagasy izao dingana ataon’ny mpitarika antsika izao. Tsy ilaina ilay “sehatra vahiny” fa tia mibaikobaiko, sy mitsabatsabaka amin’ny raharahan’ny Gasy;...............

kanefa dia misisika mafy manararaotra ny fisehoan-javatra mba hampideràna fahaizana. Dedaka isika fa sañana e! Asa raha ho azon’ny Gasy rehetra ny tena dikan’ny diplaomasia sy fifandraisana iraisampirenena tian’ny mpitarika antsika hampiharina. Misy manam-pahaizana maro efa niaina an’izany, ary tsy adala akory ny mpitondra taloha rehetra nifandray tamin’ny vahiny. Aleo tsy resahana ny répoblika nifanesy, Radama rainy dia afaka nametraka ny fitondrana notarihiny mba hilahatra amin’ny firenena natanjaka tamin’izany. Ranavalona reniny koa tato aoriana dia sahy nanilika ny vahiny rehefa nitady hanimba ny fomban’ny fanjakany izany. Ady amin’ny fanatontoloana ve no dikan’ny fanovàna natao teto amintsika? Efa nifanaraka ny amin’izany ve isika mianakavy? Iza no nanome fahefana ny mpitarika antsika hitondra sy hampihatra amin’ny sitraky ny fony ny politikany, ny diplaomasiany? Tsy mitampina akory ny mason’ny sehatra iraisampirenena ka tsy hahita fa mbola hifandrohitantsika ilay “indray mandingana” ataontsika teto nandritra izay fotoana lavabe izay. Resahana hatrany ny dinika samy Gasy, kanefa io samy Gasy io mihitsy no mbola tsy mifanantona sy tsy mifanakaiky kokoa. Dia tonga ny Frantsay, ny Amerikana, ny Afrikana, ny Iraniana, ny Pakistané, ny Israeliana, ny Tiorka…samy milaza izay tiany ho lazaina, samy miseho ho namana, samy tia mibaikobaiko, samy miady ny tombotsoany. Mivazavaza tsy misy mihaino, miseho ho mahavita tena kanefa mifanaritaka ato anatiny. Teny gasy aza no hanaovana ny fanankianan’ny tera-tany eto mbola tsy hifandrenesana, koa mainka fa ny tenin’ny hafa? Sy ny baikon’ny hafa no hotanterahina? Aza adika vilana anefa ny hevitry ny hoe mitady vahaolana amin’ny alalan’ny fiverenana midinika sy ny baikom-bahiny. Baiko avy ato anatiny mihitsy no mitaky fifampidinihina sy tsy hirotorotoana amin’ny “fitsambikinana mikimpy”. Raha nifaneken’ny ankabeazantsika io fitsapan-kevibahoaka io dia azo antoka fa tsy hanosi-boho-tanana antsika ny “sehatra vahiny”. Tsy ilàna mandry ilika akory, fa nandeha ho azy ohatry ny karatr’i Naivo. Dia tena hitodika aty amintsika tokoa ankamaroan’izao tontolo izao. Sa isika mihitsy no te-hiolonolona? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra