jeu.
04
nov.
2010
Efa miparitaka eran'ny disitrikan' i Moramanga ny vato-pifidianana tokana ho an'ny fitsapahan-kevimbahoaka izay atao ny aha 17 nopvambra ho avy izao fa saingy ny mahagaga dia efa voamarika "X" avokoa ny eo amin'ny " Eny" midika izany fa hoteren-kolany ny "eny" any an-toerana. Hita sy natrehanay izany nandritra ny famoriana nataon'ny minisitry ny harena akibon'ny tany ireo sefo fokontany, ben'ny tanana ary ny "chef Zap" ny zoma sy asabotsy teo. ........
Ho an' iry voalohany loha dia ny zoma tolak' andro namory ireo sefo fokontany miisa 13 tao amin'ny lapan'ny tanana ny minisitra, nofarimparitany sy nitondrany fanazavana tamin' izany ny tokony hanentanana ny olona mba handray anjara amin'ny fifidianana, nitondrany fanazavana ihany koa ny mombamomban'ny lalam-panorenana izay itsapana ny hevitry ny vahoaka ny faha 17 novambra ho avy izao ary ny fomba fampiasana ny biletà tokana, nozarana petandridrina sy ny gazety misy ny lalam-panorenana ireo rhtra nanatrika . Tao amin'ny fitrano malalaky ny biraon'ny disitrika kosa ny sabotsy maraina no nivory niaraka tamin'ny minisitra ireo ben'ny tanana miisa 21 anatin'ny disitrikan' i Moramanga, ar ny sabotsy hariva tamin'ny 6 ora kosa no noraisin'ny minisitra tany amin'ny lapan'ny kominina ambanivohitr' Andasimbe ireo " chef ZAP" ùmiisa 13 amin'ny 29 ao amin'ny disitrikan' i moramanga, tsy nisy fiovana fa saika mitovy avokoa ny antom-pihaonana intelo miantoana ireo fa saingy an' irto farany izay notanterahina tany Andasimbe ity nahalalana ny iraka manokana ho an' ireo natsoina manoloana ireo mpampianatra izay feheziny. Ireo rehetra ireo kosa na tamin'ny sefo fokontany na tamin'ny ben'ny tanana, chef Zap, dia samy nahahzo baiko amin'ny fanentanana ny olona hifidy ary handrotsaka ny vato-pifidianana efa vita "X" mialoha ka entina avy aty antrano ary hitondra mody ny vato raisina ao amin'ny birao-pifidianana, samy notolorana lelevola 100.000 ariary avy ireo mpandray anjara tami'ny fivoriana intelo voalaza ireo.Niaraka sy nanotrona ny minisitra hatrany nadritra an' ireo rhtra ireo ny lehiben'ny disitrika vaovao na dia mbola tsy nadray ny asany aza nandritra ny fandalovanay tny an-toerana sy ny lefitra voalohan'ny be'ny tananan' i Moramanga. Nandritra ny fanadihadina natao tamin' ireo nadray vola nahalalana fa baiko no azireo hanao izay hampandaniana ny "ENY" ato anatin'ny disitrikan'i Moramanga, ireo chef ZAP sasany moa dia nilaza fa misy ny fandrahonana ka izay tsy hanao izany dia mety hafindra toerana, ireo sefo fokontany sy ben'ny tanana kosa dia voalaza fa ho hita eo aizay kominina sy fokontany kely vato indrindra amin'ny fampandaniana ny "ENY", amin' ity farany indrindra dia nisy sahy nilaza fa fahatahorana ny seza dia ho tanterahina ny baiko na dia hita fa tsy mifanaraka tamin'ny fitakiana ny fanovana tiana hampetraka eto amin'ny tanindrazana iombonana ny zava-misy. Ho an'ny kominina ambonivohitr'i Moramanga manokana moa dia ao ny biraon'ny Kme araka io hita amin'ny sary, etsy akilany hita ho sorena ihany ireo manandraharaha ao amin'ny birao amin'ny fivezivezin'ny mpanohana ny "Eny" izay tsy mifanaraka amin'ny foton-kevitry ny "Ceni