jeu.

04

nov.

2010

Ankolafy telo tao amin’ny Malacam: Tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany

Ampy izay ny ramatahora, avondrony ny hery, hanoherana ny tsy rariny eto Madagasikara ! Io no nanakoako tao amin’ny kianjan’i Malacam omaly. Vahoaka maro be no nanoina ny antson’ny ankolafy telo teo amin’io kianjan’ny baolina lavalava io, ary mpanao politika mpitari-tolona maro no nitarika ny fotoana. Tsy azo ekena ny fanaovana referandaoma amboletra. Tsy maintsy miverina i Dada Ravalomanana sy Dadabe Ratsiraka. Apetraka ny tetezamita hiarahana mitondra, ary hirosoana ny fampihavanam- pirenena sy ny amnistie faobe. Hevitra efa notakiana hatramin’izay io, ary ny fametrahana ny fanjakana ara-dalàna no vaha-olana amin’izao krizy izao. Midika amin’ny mpomba ny ankolafy telo izany, fa tsy maintsy mipoaka ny sarom-bilany. Hitohy ary tsy hitsahatra ny tolona. Ny firenena eran-tany no efa tsy manaiky ity fitondrana ity, nefa mbola ataon’ny mpitondra ankehitriny amboletra ihany ireo fanapahan-kevitra izay heveriny fa mety amin’ny fanamafisana ny toerany ankehitriny. Raha ny hiakiaka momba ny fandresen’ny ekipa iray no heno tao amin’io kianja io hatramin’izay, dia hiakam-pitolomana ho amin’ny fiovàna kosa no heno tao omaly. Tsara ny milaza, fa nifandimbiasan’ny teo anivon’ny ankolafy telo ny fandraisam-pitenenana, ary tsapa fa ao anatin’ny heriny tanteraka ny mpanohitra ny fitondrana tetezamita. Imasomahita

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    demette (vendredi, 05 novembre 2010 11:47)

    tsy mahita ho lazina faizay mahasoaataon andriamanitra

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra