lun.
01
nov.
2010
Andro sisa no isaina dia ho avy ny fotoan-dehibe hifanomezan’ny Mpitondra Avo sy ny vahoaka izay tarihiny. Io ilay andron’ny fandatsaham-bato hanorenana ny Repoblika fahaefatra. Na ho ENY na ho TSIA no vokatra ho azo eo dia efa hiomana amin’izay hiseho ny mpitazana rehetra. Fa mialoha ny hisehoan’ilay fotoan-dehibe dia tsy maintsy vinaniana ihany ny mety hitranga e ! Aza mandrimandry manana aretina. Tsy maintsy atrehina izay hitranga. Tonga indray mantsy ry Dimbaka avy any Nazareta, ry mpikaroka sola vantony tsy fidiny, ry te-hiala voly etsy amin’ny kianjan’ny kilalao sy fialam-boly, ry mpiarananofa trano taloha tsy mitsahatra ny mandoto rano, ry maloto lamba notinafy mitaky ny savony hidiovana, be dia be tsy àry ho tanisaina e ! Efa midona isan-kariva ity ny oram-baratra. Miakatra ny ranon-dolana eran’ny tatatr’Antananarivo. Any amin’ny faritra dia asa fahavaratra ka ny maraina ihany e! Na ny fahasarotana ateraky ny toetr’andro ihany aza dia ampy hampisavoritaka eto. Mainka moa fa miaraka mihiaka ny hanemorana “ilay aferandaomy” daholo izay rehetra miteny. Tsy lafiny ara-politika sy arapoto- kevitra fotsiny no olana fa resaka teknika tsotsotra ihany koa. Mahakasika ny lisitra sy kara-pifidianana, kara-panondro, vato tokana, sns…
Ny politikan’ny Gasy dia tsy mety mahita ny vilana tokony hahitsy mihitsy raha tsy efa avy nivoaka ny fitondrana. Dia mifangaro voraka fotsiny ny fankahalana olona sy ny alahelonkanina. Nahoana moa no nabosesika ny fampiasana ilay bilétà tokana ohatra, kanefa rehefa tena hampiharina dia hay misy antony marobe tsy hampety ny fampiasana azy? Kanefa tsy maintsy hirosoana fa tsy te-ho leo dohika? Ary maninona koa no efa am-bolana maro aty aoriana vao tsikaritra fa eny am-pelatanan’ny “mpanao fihetsika jiolahimboto” ny fahefana? Teny Antanimena tamin’ny taon-dasa dia narangaranga ny basy fa tsy mila fahefam-panjakana ny miaramila, kanefa aty aoriana dia ilay nafana fo tamin’iny fihetsika iny no vonona indray ny hitarika tetezamita vaovao hafa? Notendrena ho PDS ny hafa tsy taitra akory, koa aty aoriana vao milaza fa tsy maintsy hirotsaka ho fidiana na hisy famotsorankeloka na tsia. Aiza ihany izy izany e? Arakaraka ny handrosoana no hahatsinjovana fa hay diso lalana efa hatry ny ela isika fa tsy mety mihaiky. Na ho singam-bolo hanohi-randrana, na koa handavo ny vositra ireo antonanton’ny fisian’ny fitakiana etsy sy eroa ireo dia tokana ihany no haminaniana ny zavatra tsy maintsy hiseho: Tsy ny hamafin’ny taolana tsy akory no tsy ahafahana hitsentsitra ny tsoka, tsy ny filangalangan’ny hazo no midika inona rehefa tonga ny tafiotra, ary tsy ny fizahozahoana no hahavitan- javatra. Eny e! Ianao no tsy faly dia izaho ihany no voakiana. Diso aho androany fa mety ho ianao ny ampitso, nefa tandremo fa tsy izaho irery no adala, fa matoa izaho no mianjera dia ianao no malama, dia ho kobonao tsara ny fandehan’ny tantara. Tsy hifanditra aminao aho fa mba hisaino ihany koa, fa matoa izao no manjo dia mba misy adidinao e! Raha fantatra fa tsy maintsy ho lavo sy hianjera ve dia hikiry biby ihany? Ny soa lavo hahay hamindra mba azo ihafiana ihany fa ny beloha tsy laitra no mahatonga ny “s’akory izay”! Ony RAMBELO