lun.
01
nov.
2010
Inona ny fomba mahomby hanomezana fahafinaretana faratampony ny vehivavy ? Fanontaniana be mpametraka any anatin’ireny resadresaka ifanakalozana amin’ny « internet » ireny izany. Samy manana ny fombany ny olona tsirairay, saingy ireto misy teknika vitsivitsy mety ho azo ampiharina. Misy ireo milaza fa mahasahia manova sy mikaroka fihetsika hafa mahakasika ny fiainana ara-pananahana. Samy tia izany avokoa na ny lehilahy na ny vehivavy. Misy ihany koa ireo manolo-kevitra ny amin’ny hanomezana safosafo malefaka, indrindra fa amin’ireo faritra tena manaitaitra ny vehivavy......
Manampy azy haingana hiaina fahafinaretana faratampony ny safosafo malefaka, tsy mivatravatra sy tsy mahery setra. Mbola teknika hafa indray koa ilay fanaovana firaisana ara-nofo maharitra, tsy diso haingana loatra maimaika, indrindra moa fa ny misy manapaka eny anelanelany eny. Torohevitra manampy ireo dia ny fanajana hatrany ireo fomba izay hita fa tena ankafizin’ilay vehivavy rehefa manao firaisana ara-nofo. Rehefa taratra hiaina izay fahafinaretana faratampony izay ny vehivavy dia tsara raha tsy tapatapahana ny fiainany izany. Amin’ny ankapobeny mantsy dia voalaza fa tian’ny lehilahy kokoa raha atsahatra avokoa ny fikitihana sy ny fihetsehana rehetra rehefa tonga amin’ny ilany azy izy. Ny mifanohitra amin’izay ny an’ny vehivavy. Miankina betsaka amin’ny famantarana ny vatana ny fahazoana manome hasambarana azy. Afaka ifampiresahana avokoa ny zavatra rehetra manodidina izany, satria fiainana maha-mpivady.
Mangataka ireo lesona rehetra ilaina rehefa ilely
Misaotra tompoko.
