lun.
01
nov.
2010
Mitodika any amin’ny PDS eto an-drenivohitra indray ny fantsin’ny mpitondra FAT ankehitriny. Taorian’ny nanomezan’ity mpitondra ny tanàna eto an-drenivohitra ity ny kianjan’i Malacam Antanimena, dia maro no nanome tsiny azy amin’izany. Omena vahana indray ve ny mpanohitra izay efa hita fa manomboka miala aina ankehitriny hoy ny feo niely ny faran’ny herinandro lasa teo. Na ireo gazety mpitondra tenin’ny FAT aza, dia nanome tsiny mafy ity PDS ity mihitsy noho iny fihetsika nataony nihaona tamin’ny mpanohitra iny. Nitsikafona tao anatin’izany ny fomba fitantanan’ity olom-boatendry ity ny tanàna, ary voakilasy ihany koa ny mpanohitra ho mpanakorontana sy mpandrava efa isaky ny manao fihetsiketsehana.......
Ny tsy tsapan’ireo olona zatra miaro be fahatany ity tetezamita ity, dia ny hay trano sy fandrobana na fahefana io, na ihany koa tranon’olona sy fananam-panjakana toy ny RNM sy ny TVM nandritra ireny korontana tamin’ny taona 2009 ireny. Heloka ny madinika Toa kilasiana fa heloka ihany koa amin’ny olona mba nahazo fahefana ankehitriny ny fifampidinihana toy ny nataon’ingahy Edgard Razafindravahy ny zoma lasa teo. Ny tsy fisian’io fifampidinihana io anefa no mbola mampihitsoka ny firenena toy izao. Dia lasa ny sain’ny mpitazana manao hoe taorian’iny fanomezana ny kianjan’ny Malacam ny mpanohitra iny ve dia kilasiana ho isan’ny fahavalo ihany koa ingahy PDS ? Efa nisy mihitsy feo nandeha ny faran’ny herinandro teo ny amin’ny tokony hanesorana ity olona ity tsy ho PDS eto an-drenivohitra intsony, sao hono manome vahana ny mpanohitra ka hampiongana vetivety izao fitondrana izao. Izay no marina ? Mety ho eny, mety ho tsia, fa ny azo lazaina, dia matahotra mafy ny mpomba izao fitondrana izao, sao mahazo vahana ny mpanohitra, ka hitsikafona eo avokoa ny ratsy rehetra vita hatramin’izay, ary ny tena ho afa-baraka, no sady ho very seza. Ny olona manao ny marina hono tsy matahotra ny hevitra avoakan’ny sasany, sa ilay filazana fa mpandroba ny ankolafy telo no hiafenana ao ambadik’ireo rehetra ireo ? Vainafo zanany