sam.
30
oct.
2010
Nisisika mafy iny olona iny hiditra tao anaty fitondrana tao. Noforoniny daholo ity fivorivoriana tetsy sy teroa ity mba hahazakana ny mpanohana azy amin’ity hevitra voiziny ity. Fa mikasa ny hiala eo amin’ny “arrêt” manaraka iny olona iny raha mbola tsy resahana amin’ny fitangoronana manaraka ny momba ny fanasàna ny lamba maloto sy nolotoina ara-politika. Voarohirohy noho ny heloka politika tokoa ve iny olona iny ? Tsaroana tsara manko fa gidragidra niainga tetsy amin’ny hôlely iray tetsy Behoririka tetsy no nahavoatazona azy. Nampiasainy ny fahefam-panjakana teo ampelatanany mba hahazoany tombony eo amin’ny bizina ataony(?). Fa efa tantara taloha izany, ny takarivan’ny 21 martsa 2009 dia nibanaka ny fonja nitazonana azy noho ny ezaka nateraky ny “tolona”......
Ny olana manjo iny olona iny dia tsy ho azy irery fa iraisany amin’ny mpanao politika marobe tokoa. Ary tsy androany ihany fa efa hatry ny ela izany. Tsaroana hatrany fa vao nifarana kelikely ny fampandrian- tany tamin’ny taona 2002 dia anisan’ireo mpanao politika nandà ny fampihavanam-pirenena notakian’ny Crn tamin’izany fotoana iny olona iny. Nambarany tamin’izany fa tsy nisy ady teto, ary tsy misy ilàna izany fampihavanana izany. Vetivety sy niserana ihany anefa io heviny io satria dia anisan’ireo nanohitra ny fitondrana avy hatrany izy raha vao misy tsy zakany. Efa hatramin’ny andron’ny Répoblika faharoa iny olona iny no nirotsaka navitrika teo amin’ny sehatry ny politika. Ary nisongadina hatrany izy tamin’ny fifidianana izay natao teo amin’ny fari-pifidianana nirotsahany hatramin’izao fotoana izao. Dia andrasana ny mety ho vokatr’ity fikasana hidina ampandehanana ity raha tsy ho voadinika (sanatria) izay zavatra nilofosan’iny olona iny. Politika avo lenta daholo mantsy na ny mijapy ny lamasinina efa miridana mafy, na ihany koa ny fitsoahana andaharana. Ny mahalasa ny eritreritra dia mino ve iny olona iny fa ety ivelany indray vao mety hisy hihaino ny fitakiany? Tena ilaina tokoa izany ny fifamelankeloka sy ny fifampihavanana noho ny disadisa arapolitika? Iza ihany àry no tena misakana izany? Dadan’i Ranto