sam.
30
oct.
2010
Mi savor i tak a andr o aman’alina ny fiainampirenena. Milentika andro aman’alina toy izany ny fiainam-bahoaka, ary krizy noheverina fa ho foana ao anatin’ny fotoana fohy no mbola mitarazoka roa taona latsaka aty aorian’ny fandraisana fahefana nataon’izao fitondrana izao. Na dia ezahiny arindra araka ny tokony ho izy aza ny eo anivon’ny foloalindahy, dia tsapa fa misy raha tsy milamina ao. Ny gazety mpiseho isan’andro omaly no nanambara ny lahateny nataon’ny Jeneraly Noel Rakotonandrasana fa tokony hiala amin’izay i Andry Rajoelina, fa tsy zakany intsony ny mitantana ny tetezamita........
Nohamafisiny, fa tsotra ny vaha-olana, dia ny fanomezana ny sivily mahasehaka tsara, na koa ny miaramila izay atokisany ny fitondrana. Mila apetraka tsara anefa ny fepetra, izay takiana amin’izay hitondrana ny firenena izany. Tsy fanonganam- panjakana no hiantsoana azy amin’izay fotoana izay hoy ihany ity manamboninahitra nahiliky ny FAT ity. Mbola ao anatin’izay savorovoro izay ihany, dia io hiarahana mahita io ny fitakiana ataon’i Voninahitsy Jean Eugéne. Ny amnistie ho an’ireo gadra politika no ilaina hampiharina maika eto, fa raha tsy tanteraka io, dia hametra-pialana ao amin’ny kongresy ny tenany alohan’ny 19 novambra. Miady an-trano ihany koa ny ao amin’ny polisim- pi renena izay ahi - tana an’ingahy Oganés Rakotomihantarizaka sy ny lehiben’ny PAF « polisy mpiaro ny sisin-tany » kaomisera Jean Brunel Razafindrahifa. Manoloana ilay fampidirana tera-tany Frantsay ambara ho mpikarama an’ady antsoina hoe Philippe Verdon. Mifanebaka am-pitoerana izy ireo, na dia samy miara-dalana ao anatin’izao fitondrana izao aza. Fanampin’io, dia miditra antsehatra lalina momba izany ny mpiasan’ny VIVA ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay nahazo fanakianana avy amin’ingahy ministry ny polisy. Mitohy ny tolona Inona no ambaran’ny f i lohan’ny FAT Andr y Rajoelina manoloana ireo voalaza ireo ? Etsy ankilany, dia mitohy ny fitakiana ataon’ny ankolafy telo. Mihevitra ny hivoaka andalambe izy ireo rehefa tsy omena kianja ahafahany mamory vahoaka. Ny hetsiky ny mpitondra fivavahana ihany koa, dia hanomboka hiseho vahoaka indray, ary atomboka ao Antsahamanitra izany ny alatsinainy voalohan’ny volana novambra izao. Ireo mpiara-dia amin’ny fitondrana ka nahilika toa andry Monja roindefo, dia io manao ny ataony io, amin’ny fanatsikafonana ny tsy mety ankehitriny. Ny sehat ra i raisampirenena dia manameloka ny fandehanana irery eo amin’ny fitondrana ny tetezamita, ary tsy mankato izay fifidianana hiseho eo. Porofo izany fa tsy nahavaha olana ireo TIM sy ny hafa nivadika niditra ao anaty fitondrana. Mbola tsy vaha-olana ihany koa ilay tsena mora, satria miha-krizy andro aman’alina ny firenena. Hatreto, dia fahavoazana iray lavaka no hita nandritra izay fanonganam-panjakana niseho izay, ary ahiana mbola hanampy trotraka izao fahavoazana izao ny fiziriziriana hanohy ny lalana efa tsy nahitana fahombiazana. Hiditra volana novambra isika afaka andro vitsy, dia ho sanatria ve ka mbola ho volan’ny hevin-diso ihany io volana hiampitàna amin’ny volana farany amin’ity taona ity izao ? Isika rehetra no mitsara, fa ny tsapa, dia fiovana ho amin’ny tsara no nandrandraina, kanjo nivarina an-kady ny firenena. Vainafo zanany