sam.

30

oct.

2010

Kitra THB Champions league – Poule des As: Ady farany

Hanomboka ny alahady ho avy izao etsy amin’ny kianjan’Alarobia ny « poule des as » ho an’ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara na ny THB Champions league. Ilay ady farany amin’ity fifaninanana nasionaly ity. Ekipa efatra no hiatrika izany dia ny AS Adema Analamanga, Ak a d emi a Ny An t s i k a Vakinankaratra, CNaPS Sports Itasy ary izay ekipa tafavoaka any Toamasina amin’ireo lalao telo naverina teo anivon’ny fihodinana faharoa. Koa satria tsy mbola fantatra izay tafavoaka amin’ny Japan Actuel’s FC sy ny AS Fortior ary ny 3FB Toliara dia tsy hisy afa-tsy lalao tokana aloha ny alahady ho avy izao dia ny fifandonan’ny AS Adema sy ny CNaPS Sports. Ady farany moa ny an’ny Levandana sy ny ekipan’ny Manjakaray anio tolakandro any amin’ny kianja monisipalin’ny Toamasina, satria samy efa nandresy ny ekipan’ny 3FB avokoa izy roa ireo. Hitohy ny 2 novambra sy 4 novambra ho avy izao izany ary ny alahady 7 novambra kosa no hamaranana izany, ka hahafantarana izay ho tompondaka taona 2010. Zaka Fils

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra