sam.
30
oct.
2010
“Aoka aloha tsy anio f a ma r a r y ny l o h a k o”. Miverimberina izay ala olana izay. Ny vehivavy no voalaza ho tena mpilaza azy io, rehefa tratry ny hakamoana hanome fahafaham-po ny vadiny amin’ny firaisana ara-nofo indraindray. Tsy izay irery ihany anefa no fialana bala fanao. Santionany fotsiny ihany io. Tsy voatery ho lainga hatrany kosa anefa izany. Misy mihitsy ny vehivavy marary an-doha, indrindra mandritra ny fotoana mialoha ny hahatongavan’ny fadim-bolana. Voalaza anefa fa vahaolana mety hanala izay aretin’andoha izay ny fanaovana firaisana ara-nofo. Ho an’ireo tena kamo hanao firaisana ara-nofo indray kosa dia efa fantatry ny ankamaroan’ny lehilahy izay ala olana izay........
Tsy dia ilay firaisana aranofo loatra no manala ny aretin’an-doha fa ny fiainan’ny vehivavy ny “orgasme”. Mamokatra ny “hormone” antsoina hoe “endorphines” ny vatan’ny olombelona rehefa tonga amin’izay fahafinaretana faratampony izay. “Hormone” miteraka fahafinaretana, manasitrana ny vatana manontolo. Mila mametraka fepetra kosa izany ny vehivavy marary an-doha, ny amin’ny tokony hanatrarana ny “orgasme”, hampisinda izay aretin’an-doha izay. Samy manana ny ala olany ny vehivavy tsirairay rehefa tsy te hanao firaisana aranofo. Misy ny milaza ho vizana, ny tonga fotoana na mandeha fadim-bolana, ny marary lamosina, ny tsy maintsy hatoriana satria hifoha maraina ny ampitso. Ny fifampiresahana mazava eo amin’ny mpivady ihany no tena manampy betsaka hisorohana ny karazana olana rehetra mety hitranga.