ven.

29

oct.

2010

Mpandraharaha, mikarama an’ady

Tratry ny daka mampirin’entana iny olona iny. Nitetika sy nihevitra ny hanao lalan-dririnina, nieritreritra ny hanao masobe tsy mahita. Tonga saina tanteraka! Aty amin’ny tanin’ny mpampihatra izay tiany hatao no mitonantonana. Misy lalàna anie eto e! Indraindray izy io dia lalàna tsy maintsy hampiharina, indraindray koa misy lalàna tsy maintsy hampirimina. Efa tamin’ny andro taloha no voaroaka teto iny olona iny? Maromaro no nampiharana izany fandroahana izany. Tao ny mpitondra fivavahana, tao ny mpanao gazety, tao ny mpikarama an’ady, tao ny mpampiasa vola, sns…Anisan’ny voakasik’ireny iny olona iny. Vao tonga teny amin’ny seranana dia nifanjevoana ny olana mahakasika iny olona iny. Nisy ny mpanao politika nitsena azy, nisy ny mpanam-pahefana nahatsikaritra avy hatrany fa tsy mahazo miditra eto izy ka tokony handraisana fepetra, ary nisy koa anefa ny mpitondra Avo nanao fanelanelanana ka nanome baiko fa aleo izy hiditra. Fa vetivety dia nitsikafona tampoka ny rano nitàn’iny olona iny........

Traingo tarý amin’ilay mpitondra taloha nitsena azy tarý izy. Natao ny fanadihadiana rehetra dia hita teo fa tsy mahazo miditra aty amin’ny firenena malagasy e! Nipoitra daholo ity resaka hafahafa rehetra ity, olona manana tosi-drà avo iny olona iny ka mety hampitombo ny aretiny ny fanadihadiana atao aminy e! Mpikarama an’ady akaman’ilay nanongam-panjakana tao Kaomaro iny e! Be dia be tsy ho voatanisa e! Dia nalefa nody any amin’ny taniny any iny olona iny fa tsy misy ny toerana sahaza azy eto. Misy tokoa izany ny fitohizan’ny fitantanan-draharahan’ny “fanjakana”. Fa ny mahalasa saina ny rehetra dia ny fomba fampiharana ny lalàna e! Efa hita teny amin’ny seranana fa voarara tsy mahazo miditra koa nahoana no misy manao “lava tanana” mampiditra azy ihany? Tsy misy heloka nataon’iny olona iny mihitsy izany dia navotsobotsika fotsiny any? Ary maninona ny olona sasany voaheloky ny fitsarana gasy eto no avela hiditra aty sy havela hivenjivenjy ela eto? Ary ny tena mahazendana dia misy voaroaka taloha ,kanefa miditra malalaka ankehitriny. Misy ny nitsoaka sy voaheloka kanefa dia miditra am-pilaminana. Izany anie no mahatonga ny fisainan’ny mpanara-baovao hilaza fa “sortie” baranahiny sy “entrée” gorobaka be no eto e! Fa iny olona iny aloha dia tratran’ny ilay teny tsotra hoe: “Nidiran’andro”. Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra