Manam-pahaizana roa no andrandrain’ny malagasy sy ny vahiny any ivelany hitondra ny tetezamita atsy ho atsy. Manam-pahaizana roa izay samy manana ny lazany ireo, satria ny iray mahay momba ny lalàna iraisam-pirenena, ary ny ankilany mahay momba ny toe-karena. Ny Profesora Raymond Ranjeva, dia tsy mitsahamiketrika ny hampiharana ilay vonjy aina ho an’ny malagasy rehetra. Maro no nankasitraka ilay tetik’asa nataony, mba hialana amin’izao krizy izao. Nitaky ny hanoloran’i Andry Rajoelina ny fahefana eo aminy ity manam-pahaizana momba ny lalàna ity raha nitafa tamin’ny mpanao gazety izy farany teo......
Ankoatr’izay, dia tonga eto an-tanindrazana ihany koa ny Praiministra teo aloha Tantely Andrianarivo. Manomboka mitety faritra izy, ary maro ny olona nangataka azy handray ny fahefana avy hatrany, toy ny tao Fianarantsoa. Tsy niolaka izy nanambara, fa lasa takalon’aina politika ny vahoaka. Olona roa samihafa ny Profesora Ranjeva Raymond, sy ny PM teo aloha Tantely Andrianarivo. Mety ho tafara-dalana ihany anefa, satria tanjona iray no hizorana, dia ny hialàn’ny firenena amin’izao krizy izao. Raha ny heno, dia manara-maso ny fihetsika ataon’izy roalahy ireto ny sehatra iraisam-pirenena. Efa maro ihany koa ny sehatra samihafa, izay manosika azy ireo handray ny fahefana? Samy maniry hitondra ny tetezamita tena izy, ahafahan’ny rehetra mandray anjara amin’ity fitondrana ity izy roa ireo. Saingy hatreto aloha, dia mbola mijanona ho faniraina izany. Raha misy tokoa izay nofinofy izay, iza amin’ireto manam-pahaizana roa ireto no hitondra izany tetezamita izany? Ny tsy azo lavina, dia efa misoko mangina tsy azo afenina intsony ny tondro-zotra amin’ny fiomanana handray fahefana ataon’izy ireo, saingy hatreto aloha, dia mbola mijanona ho mistery izany. Tsy mora ihany koa ny hanala ny olona efa mamikitra amin’ny toerany ankehitriny, satria efa manorim- paka andro aman’alina ny andrim-panjakana volen’izy ireo. Basy vava