mer.

27

oct.

2010

Jelking: Teknika manalehibe filahiana

Zava-dehibe ho an’ny ankamaroan’ny lehilahy mihitsy ny filahiana lehibe. Betsaka ireo mikaroka ny fomba rehetra hahatongavana amin’izany. Mitohy mandraka ankehitriny. Anisan’ireny ny teknikan’ny « jelking » izay efa be mpampiasa any am-pitandranomasina any. Avy any amin’ny firenena tatsinanana any ny teknikan’ny « jelking ». Fomba iray nanabeazan’ny ray aman-dreny ny zanany ho afaka hiatrika ny fiainana ara-pananahana tamin’izany fotoana izany. Tanjona ny hampitomboana ny haben’ny filahiana.....

Teknika ampiharina anatin’ny dimy andro misesy amin’ireo fito andro izy ity. Atao folo minitra aloha mandritra ny herinandro voalohany, 15 minitra ny herinandro faharoa ary 20 minitra ny herinandro sisa manaraka. Tsy mila fitaovana hafa fa fanondro sy ankihiben-tanana ihany dia efa ampy hampiharina ny “jelking”. Toy izao ny fizotrany. Hosorana menaka aloha ny filahiana. Atomboka eny amin’ny fotony mandeha moramora any amin’ny lohany. Solosoloina ny tanana ary asosa moramora rehefa manosotra. Tokony haharitra roa ka hatramin’ny telo segaondra ny hotra iray. Tazonina ao anatin’ny ankihiben- tanana sy ny fanondro amin’izay ny filahiana ary asosa moramora toy ny teo aloha ihany ny tanana. Miainga eny amin’ny fotony mankany amin’ny tendrony sady somary akarina. Io ihany ny teknika haverimberina isan’andro, saingy tokony hakana sasatra kely roa andro rehefa vita ny dimy andro, mba tsy hampivanditra ny hoditra. Tsy mbola nisy porofo arasiantifika nanamarina kosa aloha fa azo antoka ity fomba iray ity. Na izany aza dia hita fa misy ihany ireo lehilahy efa nahazo fahafaham-po avy amin’ny alalan’ity teknika ity. Afaka manandrana tsara izany ny lehilahy, raha tsy hoe angaha ramatoa no ndeha hanotra hipetraka eo amin’ny toerany. Safidim-pon’ny tsirairay io.

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra