mer.
27
oct.
2010
Ny antoandro fitery ronono dia ilaozan’ny omby miahaka, fa na mafy toy ny inona aza ny fahoriana dia henatra ho an’ny Gasy ny hitery alika. Mbý an-koditra tokoa ity ny fahoriana, ary hizotra ho any amin’ny tery alika isika e ! Tsy misy ronono (ilay avy amin’ny omby) tokony hatao an-tavy intsony. Hiroso amin’ny fitaka ny mampandry adrisa, ary hiesona hatrany ny tsy mandady harona. Mbola hifandrombahana ny fahefam-panjakana na dia mihevitra ho matanjaka aza ny mpanatontosa ny fitsapana ny hevitry ny vahoaka. Miforona etsy sy eroa ny hevitra te-hitarika ny tetezamita vaovao hafa. Maniry ohatra ny anana ny hevitra mivoy ny fanemorana ilay “aferan-daomy”. Hivarotra rano indray anie isika e! Ny programa toy itony dia hain’ny mpitondra sy ny teknisiana marobe ny mandresy lahatra ny mpihaino azy fa hahazoantsika tombony toy izao na toy itsy ny fanatanterahana azy........
Aleo hamidy daholo izay rehetra azo avadika ho vola fa ny vola ihany izao no antoka sy hozatry ny fiainana. Dia hivarotra inona koa rehefa kelikely? Moa tsy varotra sy fampanofàna tany no fototry ny fitakiantsika tamin’ny taondasa? Aza totofana e! aza amidy e! aza ampanofaina e! Ny lalana efa nandratra dia tsy tokony hiverenana intsony. Ny mpitarika sy ny mpanao politika rehetra eto amin’ny tany sy ny firenena ts’inona variana amin’ny ady tombotsoa. Moa tsy nahamenatra ny mahita ireo mpikambana ao amin’ilay “andry sadasada“ ery Tsimbazaza sy Anosikely miady laharana amin’ny tambi-karama sy tombotsoa? Fa inona moa izany izao ny vokatra nentin’izy rehetra ireo amin’ny famahana ny krizy politikantsika? Ahoana ny tetika nentin’izy rehetra ireo mba handaminana, na dia ilay resaka ”aferan-daomy” fotsiny ihany aza. Tsy misy na iray aza mba mihevitra ny tenany ho mpitondra marina fa mpanararaotra fahefana ny ankamaroany. Hiverina hanao ny daniny kibony sy tsy ho voafehy intsony ny fiaraha-monina, mety hiseho lany ny krizy sosialy, hahazo vahana ny tsy fanarahan-dalàna, hitombo ny fanaovana izay hitsin’ny loha fotsiny. Tsy misy dina mazava tsinona, ary tsy tsy hisy hahalala menatra intsony fa hitery alika sy samy hano izay hihinanany. Tanànan’ny tsy mivaky loha sy fiaraha-monina manindrahindra ny fitiavan-tena. Tsy misy manaja ny fototra ara-môraly, samy te-ho mpitarika. Aza gaga raha hisy hanendry tena ho filohan’izao sy izao indray atsy ho atsy. Samy manana ny vahoakany tsinona k’oh. Samy manana ny tanjony! Sao sanatria mampiseho hevitra apokaliptika ary izany resaka izany? Tsia! Mety ho hevitry ny tsy te-hanana faharavàna, raha mbola misy ny azo sorohina tsy hitranga. Tsy hakanosana na tahotra no tokony hitaizana ny olompirenena raha tiana ny hiravonan’ny olan’I madagasikara… Azo atao ny mandray andraikitra tsy hahatongavana any amin’ny tery alika. Ony RAMBELO