mer.
27
oct.
2010
Mpiray tanindrazana amin-dry Maradona iny olona iny, mpanao baolina kitra koa izy iny saingy nanokan-tena kokoa amin’ny fitiavana ny mpiara-belona. Tsy mahalavi- tany ny fitiavany sy ny fahatsora-pony ho an’ny mpiara-monina ka tonga taty amintsika iny olona iny. Tany amorontsiraka tany taloha elabe, ary dia erý amin’ny toerana fanariam-pakon’Antananarivo erý izy no namahatra sy manao ny asa soa efa nataony nandritra ny 40 taona teo ho eo izao. Nasongadiny hatrany fa tiany sy namany daholo ny mahatsiaro sy manampy azy ireo. Tsy nahagaga raha notoloran’ny mpitondra ankehitriny mari-boninahitra ambony eto amin’ny firenentsika iny olona iny......
An’aliny ny ”vahoaka”n’iny olona iny no nanotrona azy nandritra ity lanonana natao ny alahady teo ity. Dia samy mametsovetso eo ny rehetra mitazana ny zavatra niainany avy. Niainga tany amin’ny fitsindrohana fako daholo anie ireo “vahoaka” marobe ireo e! Nahiliky ny fiaraha-monina, natao ho tsinotsinona, very zo. Tsy misy mpiraharaha sy mpikarakara. Manana ny fiaraha-monina iainany, manana ny fiharina ataony amin’ny andavanandro, ary ny tena zava-dehibe indrindra dia tsy very ZO intsony. Afaka miatrika fifidianana, ary hanandanja ny feo havoakany. Ilaina ireo “vahoaka”n’iny olona iny ireo. Dia tonga ny AKAMA vaovaon’ny “vahoaka”n’iny olona iny. Tsy nisy loatra fahombiazan’ny mpanao asa soa raha mirona kokoa amin’ny politika ny mpanantanteraka azy. Azo inoana fa tsy ho tafajabaka amin’izany iny olona iny.? Dia samy manantena an’iny olona hijoro sy hanentana ny “vahoaka”-ny mba tsy ho voarebirebin’ny teny tsra lahatra ataon’ny mpanao politika maro isan-karazany, ka hivarotra ilay zo sy fahafahana efa eo an-tanany amin’ny fanampiana tsy hahavita taona, na koa ny tampi-maso. Aoka koa ho tadidin’ny rehetra fa Kristiana mafana fo iny olona iny ka tsy handà fanomezana sy fanampiana mihitsy. Ary ilay mari-boninahitra dia tokony ho azy iny, fa tsy misy hevitra ambadika izany e! Asa moa na efa misy na efa natomboka ilay resaka famindràna ny fakon’Antananarivo any amin’ny toeran- kafa fa toa tsy nisy resaka izany , raha ny tamin’ny alahady teo. Ho avy indray ity mantsy ny fahavaratra dia hiady amin’ny fofona sy ny lalitra indray iny olona iny sy ny “vahoaka”-ny. Dadan’i Ranto