lun.

25

oct.

2010

Zérô taksa

Am-polony ireny olona ireny no nanolo-tanana ny fitondrana avon’ny tetezamita. Mpandraharaha amin’ny Indostria malagasy izy rehetra ireny…Gasy ka tsara, ary mamelona ny indostria gasy ny fanjifàna ny vita gasy. Tsara izany satria mendrika ho deraina sy homen-kasina ny fanindrahindràna ny fifanampiana samy malagasy. Tsy ho tataovan-ketra ny entana hamidy vokatry ny ezaka nataon’ireny olona ireny, ary vonona ny mpitondra hanosoka ny madilana aterak’izany. Hanentsina ny banga. Inona no dikan’izany? Mba azonao an-tsaina ve hoe: hisy mpandraharaha tsy mitady tombony? Misy k’ah! Anisan’ireo tsara sitra-po amin’izany ireny olona ireny e! Manao asa soa izany ry zareo ireny e! Hanampy isa ny mitovy fihetsika amin’i Mompera Pedro. Hay ve misy olona tia ny mpiara-belona sy ny mpiray tanindrazana toy izany eto amin’ity nosintsika ity ?........

55%n’ny vidiny marina no tsy maintsy hasosoky ny mpitondra amin’ny elenelam-bidy. Ambonin’io dia havotsony koa ilay 20% amin’ny hetra tokony haloa. Raha Ar 100 izany no tokony ho vidin’ny entana iray, dia hamidy 45Ar izy io, dia ny 55Ar no alohan’ny mpitondra, ary ilay mpandraharaha dia tsy handoa ilay 20Ar tokony ho takiana aminy. Diniho tsara. Halalino. Hay mahazo tombony ihany izany ireny olona ireny raha izany? Mpitondra firenena manao ahoana no afaka hisakana an’ireny olona ireny tsy hivarotra ny entana izay tokony nandoavany ilay 20%? Azon’ireny olona ireny atao tsara mivarotra ny entam-barony amin’ny vidiny tokony ho izy ihany any amin’ny tsena hafa ankoatra ny ao antin’ilay “tsena mora”. Ary ilay 55% ampiasain’ny mpitondra ve tsy vola-bahoaka ? Tsy izany no olan’ny sedrain’ny Mpitsara? Ny mpampianatra mpikaroka? Ny mpitsabo? Ny mpiasam-panjakana amin’ny akapobeny? Toa ny an-tanana izany ity havotsotra kanefa ny nantenaina koa tsy azo ? Zérô taksa, hoy ilay olona taloha izay no tetika mba hahafahan’ny besinimaro manararaotra hampitombo ny fahafahany manjifa. Hay izany misy fahamarinana ihany ireny mamotsotra ny tokony hiditra ireny? Kanefa dia ireo mpandraharaha tera-tany, toy ireny olona ireny no nitsivalana tamin’ireny fanampahan-kevitra ireny. Dia mitodika amin’ny fahatsaram-pon’ireny olona ireny izany ny rehetra tsy hanararaotra ny fahantran’ny mpiray tanindrazana aminy; tena hanao ny ezaka rehetra tsy hamiliviliana ny fanantanterahana izao famonjena ataony amin’ny mpiara-belona izao. Tsara ny tombony ho azon’ireny olona ireny, kanefa tsaratsara kokoa ny vokatra rehetra rehefa ireny madinika ireny no tsinjovin’ireny olona ireny. Dadan’i Ranto

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra