lun.
25
oct.
2010
Milamina isika ! Sa voatery tsy maintsy halamina ? Filaminana mamitaka izany satria dia nisy grenady mipoaka anie e! Misy hetsika ara-sosialy niteraka fisamboran’olona tany ho any. Mandry andriran’antsy koa ny mpiara-belona, mitaitaindava amin’ny hafitsoky ny dahalo sy ny mpanao herisetra. Tsy mifidy io fa tratra daholo na dia efa ny faraidiny aza. Misy vahaolana amin’ny fahantrana hitangoronana etsy sy eroa. Te- mba ho “mahantra” avokoa ny olona! Sa efa tena mahantra fa be resaka sy be hambo fotsiny? Rehefa mahantra dia mahantra fa tsy misy mahantra mihaja sy ambony kokoa izany e! Ny ady hevitra politika dia hafahafa ! Misy indray ny resaka vao mainka mampitaintaina. Ao ny manambara fa ilay any Afrika Atsimo ihany no filoham-pirenena. Ao indray no namory vahoaka tany atsinanana tany ka milaza fa ilay mpanofa trano tao Mahazoarivo talohan’ity be galona izao ity ihany no Praiminisitra. Izay no vokatry ny fandrombaka sy ny herisetra natomboka tamin’ny taon-dasa. Dia tsy te-hahalala izay mbola ho vokatr’izany ny mpitarika ny fahefana ankehitriny fa mizotra miadana mankany mankany hatrany. Na eo aza ny fananganana ireo andrimpanjakana sarintsariny anankiroa tamin’iny herinandro lasa iny dia tsy midika izany fa mihamahazo hery ilay fahefana avo......
Ny antony dia tsy misy lalàna mazava manondro ny tena marina sy hohajaina. Ilay dinan’Ivato ve no hotanterahana sy manankery? Raha izany no izy dia ilaina izany ny fandinihin’ireo niara-nanao sonia iny Dina iny (izay voatendry atsy anaty lapa atsy) ny volavolan-dalampanorenana hirosoana any amin’ny fitsapan-kevi-bahoaka. Tsy izany ny zava-misy. Eo alohan’ny omby ny sarety. Ary na ireo “andry saritsariny” ireo aza dia efa nifarana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany nataony (araka ilay lalàna fehizoro nananganana azy). Tsy niserana tao akory izany hidinika momba ny volavolan-dalampanorenana izany. Izany dia midika fa nolavin’izy ireo izany ilay dina nifanaovana teny Ivato. Raha ny hevitr’ilay Praiminisitra teo aloha indray no dinihina dia te-hilaza izy fa tsy manankery sy tsy misy lalàna hitampikirany mihitsy izao tetezamita avo izao. Satria dia fikarohana ny ara-dalàna teto anatiny sy teo amin’ny sehatra iraisampirenena no nahatonga azy hiala teny Mahazoarivo. Efa nekena ny ny dinan’i Maputo satria izay no “ara-dalàn’ny sehatra iraisampirenenana” sady efa neken’ny mpifanandrina ihany koa, dia nanaiky izy na dia tsy nety taminy loatra aza iny dina Iny. Fa hafa izao ny zavatra iainana: Na ireo vondrona politika maromaro niara-niombo-kevitra tamin’ny mpitondra avo aza dia tsy vonona loatra (mihitsy) hanaiky ilay zotran’ny lalampanorenanana vaovao sy ilay Repoblika faha-efatra. Ambonin’ireo dia miseho indray ny resaka famindrana ny fahefana eo amin’ny miaramila, rehefa tsy nandray sy tsy handamina ny tany sy ny firenena ny miaramila dia nahoana no any amin’ny filoha avo ny fahefana fa tsy naverina ny amin’ilay nampindramin’ny vahoaka azy? Mbola gidragidra hafa sy ady hevitra hafa koa izany. Dia ho azo antoka ve fa raha tafitan’ny “mpiarika avo” ny amboletran’ny fitsapan-kevi-bahoaka ankehitriny dia hangina sy tsy hiloa-bava intsony ireo mpanao politika manana ny ady heviny mahakasika ny zavatra marobe mbola mahatonga izao zava-misy iainantsika izao? Izany tokoa no mahatonga ny olom-pirenenana mbola hitaitaindava sy tsy hahatoky ny zavatra iainany, fa tena ilay fitadiavana ny vaha-olana no atao eto. Mbola hitaintaina hatrany isika satria ho dinganinana fotsiny ny olana , ary tampenana ny maso tokony hihirata, tsensenana ny sofina tokony handre, ary kapaina ny tongotra tokony hamindra. Dia izany no filaminana iniana sy terena mba hiainana azy. Milamina fa mampitaintaina, mizotra fa tsy maintsy hiverenana indray, mikisaka fa tsy miova toerana. Mihodikodina am-pitoerana toy ny tandrimo e! Ony RAMBELO
iny lalana iny e...mankany an-davaka.
mahfinaritra ny gazrty basy vava na dia t@nyandron i ramananjato gabriel aza dia tena gazety tsy manafina: ny zva misy eto @ny firenena .tena marina eto ilay hira taloha hoe :izahay ve!no mivaky loha ka ianareo no voky aloha ? .io dia hira natao hoan ireo pangorokarena 50taona aty aoriana ,diatoa mbola mipetraka tsara io fanotaniana io ary vomaika aza mia henjana koa ahoana hoy iano tsy hisy ny tsy fandriapalemana?ianareo ve misesika izahay mitelindrora fotsiny .ny fitondrana mitanila mahatonga ny tsy filaminana eto amintsik.na t@yn andron iza na iza
