sam.

23

oct.

2010

Sabotsy hofotsiana

F’angaha moa ny “ basy tsy mipoaka” pejy kolontsaina, na miresaka kolontsaina? Tsia! Tsy izany mihitsy. Ka tokony hanana firaisan-kiana amin’ny fitakian’ny mpanakanto sy ny artista kosa ve? Eny! Satria mpanakanto marobe no nifandimby nindramina teto ny heviny, mpilalao sarimihetsika, mpandihy, mpiaro ny nentin-drazana, tenin’ny lalana sy ny sisa tsy ho voatanisa… Fa azo hadika ho politika daholo koa angaha ny fitakiana mitranga mandritra izao fotoana hafakely izao? Arakaraka ny fijerinao azy, ny fijeriny azy, ny fijerintsika azy, ny fijerinareo azy. Resaka politika tsy misy fetrany io; misy mahatanty, misy koa ny ataony ihany dia efa tsy zakan’ny lohany.........

Mbetika lazaina fa kianja sy tranoben’ny kolontsaina, avy eo lasa kianja politika sy trano fanaovana “vovonana” sy kaongresy, dinika politika. Lazaina fa tetik’asa ho an’ny fanatanjahatena ary tsy misy azo hatao eo afa-tsy fanatanjahatena. Fa hetsika politika no manimba ilay kianja. Hiady amin’ny PIRATY ny artista? Iza no hiadiana ? Firenena maty ny firenena tsy manana ny kolontsainy. Tsy misy ilàna fitondrana na fahefana, na koa fanjakana manao fihetsiky ny piraty. Mandika vilana ny kolontsain’ny mponina ao aminy. Jerem-pot s iny ve ny “dehaka” ataon’ny “dintakely” anatin’ny loha, mikiky malefaka ny ati-doha? Moa tsy efa tamin’ny taona marobe tany aloha tany Rabearivelo no nilaza fa: “raha tsy gejain’ny politika ny firenena malagasy dia izy no ho firenena matanjaka sy paradisa”? Moa tsy ny “hazo midoroboka” no nihiaka ny “isika tsy hanaiky ny tsindrin-tsaranga mangeja antsika, ny madinika leo fangejana tsy maintsy mitroatra”? Ary tsy tsaroanao fa hoy ny zanak’i dada (Mpanakanto izany fa tsy ilay etsy Behoririka e!): “Ireo taninay re havereno aminay, ireo vokatray re havereno aminay, ireo dinitray re avereno aminay”, Rado ilay poety “nalefaka anaty” dia efa nibetroka ny hoe:” Avela ho sorena izay te-hoserana , fa isika tsy maintsy midrikina hatrany. Raha mbola misy ny tsindry hazo lena , mahazo ny maintsy eto amonin’ny tany”. Ary vao haingana ry Rah- Chiky no niventy ny “mampalahelo raha ny mpanamaina no gadraina”.Indrisy ry mpanakanton’ny Gasy. Tsy misy mpihaino, tsy misy mihevitra an’izany ho zava-dehibe, tsy hisy hifantoka amin’ny lazinao, ho zava-poana ny fisainana mba harosonao, satria ianao mpanakanto, satria ianao mpanonofy raha tsy hanjary. Hofotsinao sy hampangininao ny ity asabotsy ity? Satria tsy ny didim-panjakana amin’ny fametrahana ny “tasi-petaka” eo amin’ny asanao sy ny vokatrao no hotoherinao? Fa ny fandrobana hita vatana sy eken’ny “bodo sy ny adala”?. Eken’ny mpiray tsikombakomba, eken’ny tsy te-hisasatra, eken’ny tehanankarena tampoka?. Izay no politikanao. Politika toy ny te-hanan-drariny rehetra ihany, saingy politika mampivoitra ny halatra “ara-dalàna”. Moa fantatrao fa misy ny “ara-dalàna” kanefa tsy azo atao? Satria isika mbola ao anatin’ny fotoana hafakely. Tena hafa tsy mahazatra. Tsy ilay hafakely tondroina ho “kanto”, fa ilay hafakely anaty “kizo”. Kizo hafahafa. Kizo politika. Kizo pôli-kitika. Kitiho ihany fa rehefa tsy safosafo tsy hivadika ho daka ambavafo? Laingako izany!

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    tsy aritra (samedi, 23 octobre 2010 10:26)

    za de mpamaky ny basy tsy mipoaka ary variana aho amin'ny fomba fanoratra eto. Mba misy mahatakatra ve ny fombany? Ny tiany ho lazaia? Raha vao manantena hevitra taingina sy tsy hivakiana loha dia aza manantena hahita tsirony eto. Ny hatahorako dia ho faty vao hisy hahatakatra ny hevitr'ity mpanao gazety ity. Enga anie tsy ho rabearivelo, na razilinah, na koa radamaI ianao. Mazotoa e!

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra