sam.
23
oct.
2010
Rava teo anoloan’ny fitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, ilay didim-pitsarana fanamelohana ny ben’ny tanànan’Ivato Firaisana Yves Rasoloarisata, higadra 18 taona an-tranomaizina. Andro maro lasa izay no nisian’io didim-pitsarana fandravana io, ary vonona handray ny toerany amin’ny maha-ben’ny tananan’Ivato Firaisana azy ingahy Maire. Olana teo amin’ny fizaram- bola tsy mitovy no nahatonga ny fifampitoriana. Vola avy amin’ny ilay IFPB, tambin- ketra miditra ao amin’ny kaominina ary, tokony ho anjaran’ny mpiasa sy ny ben’ny tanàna izay mahatratra 10% io niteraka olana io...........
Rehefa voaheloka higadra ary ingahy ben’ny tanàna Yves Rasoloarisata, dia nandray ny asa vonjimaika ny lefiny. Ireo lefiny, dia isan’ny nitory ity ben’ny tanàna, ary mbola mitondra hatramin’izao. Rehefa namoaka ilay didy fandravana ilay fanamelohana indray anefa ny teo amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana, dia nandresy ity ben’ny tanàna lanim-bahoaka ity. Omaly, dia mitaky ny hamerenana azy amin’ny toerany amin’izay ireo olona mpomba azy teny amin’io kaominina Ivato firaisana io. Ingahy ben’ny tanàna ihany koa etsy ankilany, dia heno fa handray ny asany tsy ho ela ? Hanaiky izany ve ireo momba ny lefitry ny ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy, izay mampihodina ny kaominina amin’izao fotoana ? Ho hita eo, satria ny herinandro hitsidika izao no ahitana ny valiny. Pilo kely