ven.
22
oct.
2010
Hafaliana tsy roa aman-tany no nandraisanao ilay filazana miendrika dokam-barotra amin’ny haino aman-jery. Ilay radio hihainoanao azy koa moa zara raha heno fa efa lany ny pile. Tonga tokoa ity ilay “mana” avy any an-danitra, hoy ianao any an-tsaina any. Aiza indray no hahita toy ity? Diman-jato ariary ny vidin’ny kilaon’ny vary? Arivo ariary ny vidin’ny tapa-litatra amin’ny menaka fihinanana? Dia ho tanteraka tokoa anie izany, hoy i mompera. Rafitra nandihy ianao. Mba hisy ambim-bola kely indray izany ahafahana hisotro “dirômelina”(*) raha izany no tanteraka, hoy ihany ianao an’eritreritra. Ho ela velona “ny tsena mora” sy ny fanampiana ny vahoaka madinika. Tanterak’I Zandrikely ihany izany ny “fampanantenana” teny an-kianja? Tsy kaonty ianao..........
Tsy kaonty ianao Toa sosoa voatapo-drano tampoka anefa ny hafalianao nony nahare tany amin’ny faran’ilay dokam-barotra fa ilaina ny kara-pokontany. F’angaha tokoa moa ianao manana an’izany? Efa an-taonany maro ianao no tsy isam-pokonolona, tsy olona voasoratra any amin’ny fokontany. Ny tranonao ary anie ka vita amin’ny hazo miampy fehim-bariaka e! Mitovy ny anao sy ny an’ny dadan’i Lemizo. Ianao koa angaha moa mba anisan’ny olompirenena? Efa tamin’ny taona 1989 ianao no mba nandray anjara tamin’ny fifidianana. Ianao anefa ity dia efa loa-jafy. Efa in-telo niova vady. Vady anelankelan-trano, zanaka tsy misy manana kopia nahaterahana na iray aza. Tena olonolom-poana ianao e! Ireo zanakao tokoa taloha dia mba nianatra ihany satria nisy ny fangorahana nataon-dry Masera tamin’izany fotoana. Fa tsy nahomby tamin’izany fianarana izany e! Aiza ve ka tamin’izany anie dia amin’ny telo maraina dia efa mandahatra haron-kely teny amin’ny tobim-pamatsiana mba hilahatra vary sy menaka ary savony sy siramamy e! Nofy ratsy ireny ho anao fa tsy nahitanao andro mihiratra mihitsy. Matory am-pitoerana any ampianarana fotsiny ny zanakao tamin’izany. Noana lava, tsy mifantoka, tsy zarizary ny fitafy. Fa mbola mitohy io mandraka ity ny anio, io nofy ratsinao io. Mbola mpitsindroka fako ihany ianao ny antoandro, mpisotro dirômelina rehefa harivariva, manao kodia very tsihy sy mandry fotsy rehefa alina.
Hiverina ny taloha Izay vao azoko ny dikan’ilay ianao rafitra nandihy teo. Noheverinao fa hamaha ny olanao ilay dokambarotra teo. Noheverinao fa hanampy anao hiala amin’ny fahantranao ilay tolotra morabe. Hay moa izy ity vao mainka hampibaribary indray fa olona nailiky ny fiaraha-monina ianao. Rehefa misy fitangoronana sy hetsika politika ihany vao mba misy olona tonga eny ambaravaranao eny mampanantena an’izao sy izao ho vidin’ny hetsika hatao. Nanadinoinao ny olana andavan’andro matetika ny fisian’ny fampielezan-kevitra sy ny fanakaramana isan-karazany mahakasika an’izany. Kivy ratsy ianao fa tsy mba hanana anjara amin’ity “mana” hilatsaka ato ho ato ity. Hiverina indray tokoa izany ny olana niainan-dry Maria Katisoa tamin’ny taona valopolo amin’ny fifohazana maraina sy ny fianarana natao ho ambanin-javatra. Eisssy e! hoy ianao, ny taona ity no mitombo fa ny omaly dia tsy niova. Toa fikan’I Deba ihany ity hataon’I Zandrikely: Hiverina hiainana daholo ny probleman’i Mama Lenina sy ilay bodega, ny fiainan’I Djangô, ry Lemizo, ry Katisoa, ry Ramano be galona, ry Baomijijy ireny fa hangasihasy indray ry Lesabotsy. (*) alikaola mitapo-drano