ven.
22
oct.
2010
Lanonana tsotra nefa tena mihaja tarý amin’ny tranondry vazahabe no nanolorana an’ireny olona ireny ny haja sy ny voninahitra ary ny mari-boninahitra ambony « La legion d’honneur ». Tena mari-boninahitra ambony eo amin’ny fanjakan-dry Vazahabe no natolotra an’ireny olona ireny. Roa vavy izy ireo, ary olona nahavita be ho an’ny firenentsika, ary matoa ry vazahabe nanome voninahitra azy ireo dia nahavita be ho an’io firenenana io koa izany ireny olona ireny? Ireny olona ireny dia mpandray andraikitra amin’ny sehatra maha-olompirenena. Samy mpikambana amin’ireny fiaraha-monina sivily ireny ry zareo, ilay iray hafa dia mpisolovava tena havanana amin’ny asany, mpiaro ny zon’ny olombelona, ary farany teo dia voatendry ho mpikambana ao amin’ilay vaomiera mahaleotena ho an’ny fifidianana. Ny itovizan’ireny olona ireny dia ny maha-vehivavy mpandray andraikitra azy ireo. Ireny ka vehivavy Gasy.........
Gasy mazoto ho an’ny tombotsoam-pirenentsika, ho amin’ny tanindrazana iombonana. Manambaka lehilahy tokoa, ary manana faharetana. Fa inona tokoa anefa no ifandraisan’ireny olona ireny amin’ny fitondram-panjakandry Vazahabe? Angaha ny olona hanome mari-boninahitra ho anao izany raha tsy nahavitabe ho azy ianao? Tsy azon’ny saina hoeritreretina mihitsy fa hisy Gasy (na lahy na vavy) hahazo valin-kasasarana amin’izy ireo ka mpamotsipotsitra ny mety ho kilemany teto amin’ity firenena mamintsika loatra ity. Sa hevitra sy asa mangina any ambadika any no ataon’ireny olona ireny ka nankasitrahana azy ireo manokana? Tsikaritra ihany mantsy tamin’ity lanonana ity fa minisitra mpitondra ankehitriny, sy praiminisitra teo aloha, ary raiamandreny nalaza tamin’ny fikaonandoham-pirenena farany teo no nanotrona tamin’izany. Dia manana ny hasiny sy ny lanjany tokoa izany ireo vehivavy gasy ireo e! Manana fahaiza-manao sy tanjaka tena ahafahany manantanteraka ny tokony ho tombotsoan’ny fireneny. Tsy te-hieritreritra ny fiaraha-monina Gasy tsotra ho mpialona sy betsikera ny rehetra, rehefa mahita ny taherin-javatra toy ity fanomezam-boninahitra ity. Mba mangetaheta samy te-hahazo tombony kely (na lehibe) toa ny azon’ireny olona ireny daholo anie ny sarambabe e! Fa mipetraka ho vetsovetso ry faniriana fotsiny izany. Koa hapetraka amin’ireny olona ireny ny fanantenana raha toa mba hahitàna ny tena vaha-olana eto amintsika ny fandraisan’andraikitra efa nataon-dry zareo hatrizay, ary inoana fa mbola hitohy hatrany. Mba ho tena ny fanirian’ny gasy no hotanterahin’ireo vehivavy Gasy ireo, fa tsy sanatria vehivavy gasy manantanteraka ny sitrapon’ny Vazaha be fotsiny ihany. Aza misy anie izany r’ireny olona ireny. Dadan’i Ranto