jeu.
21
oct.
2010
« Ganga Mama », na « Le Gange ». Renirano iray manana ny tantarany any Inde. Iray amin’ireo renirano fito manan-kasina any an-toerana ny “Le Gange”, izay mbola mitahiry ny kolontsaina indiana manontolo. Voalaza mantsy fa manana ny fahefana manaisotra ny ota io rano io izay afaka manadio ireo miroboka ao aminy sy mampanantena fiainana mahafinaritra aorian’ny fahafatesana ho an’ny finoana indiana. Nofaritana ho harem-pirenena ity renirano ity nanomboka ny taona 1985. Saika mivalana amin’izany rano izany avokoa anefa ireo loto sy fako avy amin’ny ozinina sy ny orinasa manamorona ilay toerana. Manampy trotraka ireo loto ireo ny fatin’olona hita mitsingevana mandavantaona eo amboniny.......
Fomban’ny Indiana ny mandoro ny razana rehefa maty ny olona iray. Ariana ao anatin’ny “Le Gange” ny lavenon’izay razana avy nodorana. Misy ireo fianakaviana tsy manam-bola ampy handorana ny fatin’ny havany. Tsy may tsara araka ny ilana azy akory ny razana dia efa avalana ao amin’ny renirano. Raha araka ny tombatombana dia voalaza fa mandray fatin’olona hatramin’ny 400 isa isan’andro ny reniranon’i “Le Grange”, miaraka amin’ny hazo nandorana 1 550 taonina. Manatevina ireo ny taolan’ny biby miisa 9 000 izay misy manipy fotsiny ao. Na eo aza izany fahalotoana isan-karazany izany dia mbola mitoetra ho toerana fangatahana tso-drano sy fivavahana ihany ity renirano ity ho an’ireo mpino efa zatra manao izany isa-maraina vao mangiran-dratsy. Tsy resahana intsony ireo olona hafa izay manasa lamba sy lovia eo amin’izany renirano izany.