jeu.

21

oct.

2010

Fijoroan’ny CST sy ny CT: « Teraka ny krizy vaovao », hoy ny ekipan’i Zafy

Tsy mahagaga ny fisian’ny h e v i t r a t s y mi t o v y, amin’izao fotoanan’ny krizy izao, indrindra moa taorian’ny fijoroan’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita sy ny Kongresin’ny tetezamita izay. Isan’ny manana ny heviny ny dokotera Randriamiarisoa Joseph, avy ao amin’ny ankolafy Zafy Albert. “Vao mainka miroso any anaty kizo tsy misy fara isika.” Tsy mankasitraka velively ny fijoroan’ireo andry ireo izy, izay nateraky ny Fifanarahana politika teny Ivato sy ny fanapahankevitry ny “fihaonabempirenena” (hono).

Tsy milamina ny tany Tsy natao hampilamina ny toe-draharaha politika mihitsy ireo rafitra roa ireo sy ny firosoana amin’ny fifidianana isan-karazany. “Na ny antony, na ny fomba, na ny fepetra tamin’ny fanendrena ireo mpikambana, dia samy hampipoitra fisavoritahana eto Madagasikara.” Momba ireo fifidianana moa, izay mifanakaiky loatra raha ny fandaharampotoana nomen’ny Fat azy, dia manamafy ny toeran’ny mpanohitra hatrany. “Tsy horesahana intsony ny mikasika ny fotoan’ny orana, fa ny fisaratsarahan’ny samy Malagasy – hanao “eny”, na hanao “tsia”, na ihany koa “sady tsy “eny” no tsy “tsia” – dia samy hanamarinana fa tsy tafiditra ao anatin’ny resaka “ifanarahana sy iarahana” isika.

Inona no hevitra aroso ary? Mazava fa ny tombontsoan’ny firenena ihany no katsahina. Tokony ho katsahina. “Ny fiverenana amin’ny loabary an-dasy ihany no vahaolana. Io ihany no hahafahana mamarana ny hazakazaka tsy misy fetra mahatonga an’I Madagasikara hianjera any amin’ny hantsana tsy misy anarana ity. Io no afaka hamaha ny olana politika, nefa koa tsy hisian’ny resy na mandresy.” Efa tsy lalao intsony ny krizy amin’izao fotoan aizao. “Mila ny fifankahazoan’ny rehetra I Madagasikara. Tsy tokony alàna ao an-tsaina fa olan’ny fitantanana sy olan’ny fifandimbiasampitondrana no niteraka izao krizy izao. Ireo rehetra ireo koa anefa dia mbola nohamafisin’ny tsy fisian’ny ara-dalàna ary ny fitokanana ara- diplomatika. Noho izany, ny tetezamita tokony hitsangana sy hatsangana dia tsy maintsy tetezamita iraisana.”

Tsy ilaina ny mpanohitra Tsy manan-toerana ny mpanohitra raha izay no fipetrany. “Izay no antony ijoroan’ny firaisambem-pirenena sy ny mpanao politika hilaza fa tetezamita “iarahamitantana sy ifanarahana” no hapetraka. Izay no fahendrena ambony indrindra.” Ka mbola ilaina ve izany ny fianakaviambe iraisampi renena? “Aoka aloha tsy hampifangaroina ny resaka. Mpikambana feno ao amin’ny ONU, ny SADC, ny UA I Madagasikara. Na izy ireo na isika, dia samy manana andraikitra sy zo avy, momba ny andaniny sy ny ankilany. Mifanaraka amin’io teo-javatra io no ijoroan’ny ankolafy telo manoloana ny fianakaviambe iraisam-pirenena.”

Mbola ilaina ihany ve izany ny SADC? Tao anatin’ny folo taona izao, dia tsy azo leferina mihoitsy, ao anatin’ny Fianakavian aafrikana ny fanonganam-panjakana; tsy azo ekena ny fandraisan’ny mpanongam-panajakana fahefana na fitondrana. “Seho tato anatin’ny firenena no niteraka ny krizy malagasy. Ary satria mpikambana amin’ireo vondrona ireo izy, dia manana nedrika iraisam- pirenena ny seho misy ato amintsika. Mandany andro amin’ny fanenjehana ny SADC ny mpitondra Fat. TSy aleony ve mamaly sy manaiky ny fepetra avy amin’ireo vondrona ireo sy ny fianakaviambe iraisam- pirenena? Mba ho tombontsom-pirenena!” Volana

écrire commentaire

Commentaires: 0

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra