jeu.
21
oct.
2010
Tsy hay na ny fiainana no sarotra, na efa tsy maharototra ny maro intsony izany fanajana ray aman-dreny izany. Tsapa mantsy fa mbola mahatratra hatrany amin’ny 25% ireo tokan-trano tsy vita vody ondry. Tsy rototra amin’izany ihany koa anefa ny ray aman-drenin’ny vavy, na dia efa mitokan-trano aza ireto zanany ireto. Raha ny fanadihadiana fohy natao, tamin’ny tokantrano malagasy, dia ny 35% no vita soratra fa tsy vita mariazy. Ny mponina any ambanivolo no tena ahitana izany. Tsy rototra amin’io mariazy io ny ankamaroan’ireo nanaovana ny fanadihadiana, satria ny fitadiavana no tena mahamaika azy ireo. Rehefa mianatra ny zanakay, ary misakafo, dia izay no zava-dehibe hoy ramatoa Saholy monina eny Talatanivolonondry raha nanontaniana momba ity mariazy ity. Ny mponina antanan- dehibe no tena seriny amin’ny mariazy, satria menatr’olona raha tsy mahavita izany. Tsy voafaritra kosa anefa io, na mariazy miara-mizotra, na mariazy tokana...........
Efa misy ny fitaomana ny olona hanao ity mariazy ity eo amin’ny mpivady. Isan’ny mandray andraikitra goavana amin’io ny eo anivon’ny fiangonana katolika. Ny kaominina ihany koa dia efa maro no manao ity fanentanana ity, mba haha-tokan-trano mendrika azy ireo. Tsy vita batemy Raha ny eo anivon’ny fiangonana katolika manokana no asian-dresaka, dia tsy azo atao batemy ny zanak’ireo mbola tsy natao mariazy teo anatrehan’Andriamanitra. Na efa vita soratra ara-panjakana aza izy ireo, dia tsy maintsy manao io mariazy alohan’ny hanaovana izany batemy izany. Ny eo anivon’ny fiangonana hafa kosa indray, dia tsy dia olana loatra ny tsy fahavitan’izany mariazy izany, fa ny fanaovana batisa no tena zava-dehibe aminy. Misy fomba hafa kosa anefa any anindran-tany any, satria dia tena harena toy ny omby mihitsy no atolotra ny ray aman-drenin-drazazavavy, vao afaka maka vady azy ilay tovolahy. Tsikaritra aza, fa misy ny ray aman-dreny tsy mandefa ny zanany vavy hanambady, raha tsy efa nigadra io lehilahy io. Izany hono no tena afaka hamelona ny zanany. Amin’ny ntaolo malagasy, dia ny vody ondry no tena zava-dehibe aminy, ka tsy maintsy hajaina io fomba io, raha maniry ny haka vady ny zanany. Samy manana ny ananany Raha ny fandaniana eo amin’ny vody ondry, dia misy manao ireo karazam-bola misy eto amintsika. Miainga amin’ny iaraimbilanja, ka hatramin’ny iray alina. Misy kosa anefa ireo manao fiara tsara tarehy, mba haharesy lahatra izay ho rafozany. Misy fianakaviana sarotiny amin’ny vola omena azy, ary eo matetika no tsy maha-raikitra ny ady varotra amin’io fanateram- bodiondry io. Ekena fa tsy varotra zanaka no atao, saingy tsy fanomezan-kaja ny ray aman-dreny kosa hono ny fanomezana vola zara raha misy. Eo amin’ny fanaovana ny mariazy ihany, koa dia misy any am-piangonana dia vita, ary rava tsy misy sakafo. Eo kosa anefa ireo mahatratra antapitrisa maro. Efa nisy nanasa olona hatrany amin’ny roa arivo teto, ary tao ihany koa ny zara raha nisy ny mpiray tampo dimy nanatrika izany mariazy izany. Samy manana ny ananany ny rehetra, nefa tsy atao mahakivy izany, fa ny fahavitan’io mariazy io no zava-dehibe. Ny tsapa, nandritra ity fanadihadiana natao ity, dia tsy rototra amin’ny mariazy intsony ny mpivady efa niteraka, saingy ireo vao mpifamofo kosa, dia ny resaka mariazy no tena mafotaka amin’ny fiarahana. Ary ianao io, mba ahoana ? Nanangona Raleva zokiny
ny fiainana efa sarotra hoany maro koa rariny ,ratoa ka maro ny tanora raha manatsotra ny fanambadiana.raha misy volaanovana mariazy makotroka sy volabe atao vody ondry .tsy aleo ve antsaran izy roakely ny ao anatin ny tokatranony ny vola. raha ny tena izy mantsy dia any ray amandreeny manampy ny zanaka vao hanoro toka trano .raha momba ny katolika indray dia tokony atao batemy ny zaza fa tsy manana tsiny ireny samy zanak andriamanitra
