jeu.

21

oct.

2010

Ampamoizo

Tsy te-hanao resaka mandeha mankany amin’ny fankahalàna olona ny ankabeazan’ny Gasy. Saingy tsy ho menatra koa anefa izy ireo raha tsy te-hanantena intsony amin’ny mety ho filaminanana. Sendra mpitondra manetsi-tadiny ve sa tojo vahoaka tsy te-hivaky loha? Iray ihany ireo, fa ny antony nahatonga izany dia ny fampanantenana poak’aty, tonga ho azy ny tsy fitokisana, ny ahiahy. Aza omena tsiny ny hafa raha kivy, mametraka fepetra, tsy te-hiroso intsony ho any amin’ny zotra an-jambany. Tena tsy maintsy hafoy ny tetezamita avo. Mitombo an-dalana ny olana. Mihena ny hery entina hiatrika izany olana izany. Tsy ho vitan’olona tsy manana teti-panorona hiatrehana izany intsony ny olan’i Madagasikara. Mihambo ho tsy tia vary mohaka, ny mpitondra avo ankehitriny. Tsy fantatra mazava ny teti- paronona entiny. Tsy sahy mba manao ezaka am-panetren-tena milaza fa tsy mahita fahombiazana. Kizo ny lalana izorana, kitsapatsapa. Narodana ny fitondran-dRamose satria samy te-hanadio ny tantara politikany ny mpitondra teo aloha (rehetra?). Niaro ny tombotsoany sy ny hambony ny mpitarika “ny tolona”, dia niara-nirohotra nitady ny tombony tamin’izany ny tsirairay isam-batan’olona. Dia io tombony ho an’ny isam-batan’olona io no tena mampikatso ny raharaha politika malagasy. Tiantsika mianakavy io miaro tombotsoa manokana io, na kely na lehibe, arakaraka ny toerana ijoroana........

Ankehitriny dia mihanjahanja ny firosoana samirery amin’ny fanohizana ny hevitry ny mpitarika ny tolona. Nalaina tahaka tamin’ny fivorivoriana rehetra efa niseho, na teto an-toerana na tany ivelany, ny tetika hatao amin’izany. Famerenana fotsiny ihany ny efa nisy hatrizay no nimasoana. Koa tsy mahagaga loatra raha marobe ireo tombanana fa nahita tombony tamin’ilay fandrodanana an-dRamose, kanefa mitsipaka ny fitantanana ny fitondrana ankehitriny, mitsipaka ny endriky ny fanatanterahana ny fitsapankevi- bahoaka, tsy vonona amin’ny firosoana any amin’ny Repoblika faha-efatra satria tsy te-hiverina intsony amin’ny olana mifanesisesy teto. Moa ve tsy talanjona isika raha ny firenena mikambana mihitsy no tonga aty amintsika ankehitriny? Moa tena matahotra fifidianana marina ve ireo misalasala amin’ny zavatra miseho ? Kivy daholo ireny hery sy ankolafin-kevitra ireny. Kivy sy te-hamoy izao zavatra iainana izao. Mizara roa mazava ny tontolo politika Gasy: Ao ireo miroso miaraka amin’ny mpitarika ka vonona sy manantena hiatrika izay hiseho, ao indray ireo te-hijanona sy tsy hihetsika eo amin’ny toerana misy azy. Very fanantenana ny ankabeazan’ny mponina, very finoana, tehamoy. Tsy fomban’ny politika gasy ny miara-devona amin’ny tsy fahombiazana sy ny tandrametaka.Ny mpanao an’izany no tokony hiova fihetsika satria mihazona ny fifandrohitana. Ny famporisihina hiroso amin’ny savoritaka dia karazan’ny famonoan-tena faobe. Dia iza no homen-tsiny. Ampamoizo ny olom-pirenena fa aza ampanantenaina intsony raha tena “fitiavana” no mibaiko ny mpitondra. Mbola azo hitokiana ve ny ampitso? Tsy maintsy mifoha mbola maizina, satria tsy ho azo hantenaina intsony ilay maraina nofinofy. Sa hatoritoritory manana aretina fa ny mpanakotaba vao maraina no efa voatana? Ony RAMBELO

écrire commentaire

Commentaires: 1

  • #1

    rajery (jeudi, 21 octobre 2010 17:28)

    Tsy miverina amin'ny laoniny intsony io raharaham-pirenena io raha tsy ny rehetra no miara-mihezaka sy miara-manorina fiaraha monina vaovao miainga avy any ifotony.Izany hoe averina indray ny FOKONOLONA ary omena ny hasiny fa tsy atao fitaovana politika toy ny natao hatramin'ny 1985 no mankaty amin'ny 2010.

  • loading

Madagascar Tribune

Tsiky Sary

Dokam-barotra