mer.
20
oct.
2010
Mazava izao ny resaka fa tena mpanao rainilezo sy mpananty ràn-kena fotsiny ireny olona ireny. Tsy manana hevitra politika izany ireny e ! Miandry tataka ara-bakinteny fotsiny. Nitangorona tsy nisy toy izany izy rehetra nanomboka tamin’ilay resaka « espace». Ny sasany indray rehefa tsy nahita rirany tamin’iny dia nanangana fikambanana <mpanao belote>, fa manana As, hono. Ny nitovizan’izy rehetra dia nihinan-kanina sy natory ampitoerana fotsiny rehefa mivorivory. Any amin’ny faran’ny dinika dia manaonao sonia fahatany fotsiny koa.....
Dia alefa etsy sy eroa ity taratasy mahakasika sy ny mombamomba ireny olona ireny. Mandeha lavareny any ambadimbadika any ny fampanantenana poak’aty isan-karazany. Atao maty an-tanana ilay “finday foza orana” fa any no lakilén’ny fanendrena. Nandrasana ka nandrasana fa toa fitaka tsy manjary ilay resaka “sms”. Nino sy nahatoky ireny olona ireny fa hafatra amin’ny alalan’ny sms dia ampy hanendrena azy any Anosikely, na koa eny Tsimbazaza. Fa vetivety foana dia raikitra ny famorian’ireny olona ireny ny mpampahalala vaovao. Tsy rariny izao fanendrena izao e! Tsy mahasolotena an’izatsy, na izaroa e ! Dia hanao inona anefa ireny olona ireny? Vita teo ny fanaovana hata-piso sy rainilezo fa zavatra hafa indray angamba no hoketrehina? Nataon’ny sasany ho toy ny vato natsindry ahazana fotsiny? Ny hena eny am-pelatanan’ireo “saka” tokoa anefa lefitra ihany fa ny fidingin’ny rambony no tsy laitra e! Mbola tsy tsapan’ireny olona ireny ihany ve fa na samy mitonona ho manana antoko aza ireny mpivorivory ireny dia ny hanamaro isa sy hikotabataba fotsiny no nilàna azy ireo. Dia andrasana indray izay mety ho vava havoakan’ireny olona ireny ato ho ato, raha sahy hampibaribary ny marina tamin’ireny fikonokononana tetsy sy teroa ireny, na koa ho tai-dronono mandroatra fotsiny dia hitsaha-miketrika toy ny sosoa voatapo-drano. Teny Anosikely sy teny Tsimbazaza aza ianareo r’ireny olona ireny tsy hita lisitra koa raha misy fanovàna mpanofa trano ve any Mahazoarivo any dia hanana fanantenana amin’izany ianareo? Sa atao ambony ny fanantenana? Sao mba tokony ho zavatra hafa àry no hitondranareo ny fitakiana ? Mijere fitaratra aloha e! izay vao manankiana ny hafa. Dadan’i Ranto