mar.
19
oct.
2010
Lazain’ny manam-pahaizana indray koa amin’izao fotoana izao fa manana her im-bat ana mi ava k a amin’ny an’ny rehetra kokoa ny olona mpanao fanatanjahantena, raha resaka fiainana ara-pananahana. Teo amin’ny biby aloha no nanaovana ny andrana, nahazoana izany voka-pikarohana izany. Voalazan’ny manampahaizana ihany koa fa olona liana amin’ny resaka fiainana ara-pananahana izy ireny. Ny angovo ao anatiny mihitsy no mitarika izay fitiavana hamokatra angovo bebe kokoa hatrany izay. Misy ifandraisany rahateo ny tahan’ny “hormone” ao amin’ny vatana sy ny fanatanjahantena........
Ny “hormone” antsoina hoe “testostérone” sy ny “adrénaline” izay mifandraika amin’ny fahazoana fahafinaretana dia tsikaritra ho mitobaka betsaka kokoa ao amin’ny olona mpanao fanatanjahantena, raha mitaha amin’ny an’ny hafa. Ny olona somary manana olana malaindaina amin’ny ara-pananahana aza dia entanin’ny mpikaroka manokana hanao fanatanjahantena, hialana amin’izany. Miteraka fahavitrihana amin’ny lafiny rehetra ny fanaovana fanatanjahantena, ankoatra ny fahasalamana izay azo antoka avy aminy. Na dia ny fandehanana tongotra matetika isan’andro dia efa fanatanjahantena avokoa izany.