mar.
19
oct.
2010
Ny AS Adema sy Japan Actuel’s FC, samy avy eto Analamanga no tafita hiady ny lalao famaranana ho an’ny TELMA Coupe de Madagascar rehefa samy nahalavo ny mpifanandrina taminy avy nandritra ny lalao manasa-dalana notanterahina ny alahady tolakandro lasa teo. Tany amin’ny k ianj a Rabemanjara Mahajanga no nanilihan’ny AS Adema ny Akademia Ny Antsika tamin’isa tokana 1 no 0 tamin’ny alalan’ny baolina izay tafiditr’i Christian teo amin’ny minitra faha-48. Niezaka nanenjika ihany ny tompondakan’ny Vakinankaratra fa tsy niova intsony ny isa teny amin’ny solaitrabe, na dia efa nahatafiditra baolina roa aza izy ireo fa nolavin’ny mpitsara, satria « en position de hors jeu » ny iray ary nandona an’i Karl, mpiandry tsatokazon’ny AS Adema kosa ny faharoa.....
Afaka nanampy ny isa tsara ihany koa ny ekipan’Ivato fa tsy tao anatin’ny fahatokisantenany sy ny vintany i Solo Fulgence. Tany aorian’ny « tirs au but » kosa vao tafavoaka nanoloana ny Tana Formation FC ny Japan Actuel’s FC. “Coup francs” nodakan’i Lanto teo amin’ny minitra faha-58 no nanokatra ny isa ho an’ny ekipan’ny Manjakaray. Nosahalain’ny Tana FC tamin’ny alalan’ny “coup f rancs” nodakan’ i Santatra anefa izany, segondra vitsy tsy hiravan’ny lalao. Voatery niroso tamin’ny fanalavam- potoana, saingy samy tsy nisy nahatafiditra baolina intsony. Tany amin’ny “tirs au but” vao nitolefika ny ekipan’i Frank Rajaonarisamba. Zaka Fils